Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-239 @365
Herinandro faha-35 @52 |

Jeremia 49

Faminaniana ny amin'i Amona
1 Ny amin'ny taranak'i Amona, Izao no lazain'i Jehovah: Moa tsy manan-janakalahy va Isiraely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana Gada no lasan'ny mpanjakany, ary ny vahoakany monina ao amin'ny tanànany?
2 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampandrenesako akoran'ady amin'ny famelezana an'i Raban'ny taranak'i Amona, ary ho tanànaolo rava izy, ary ny zana-bohiny hodorana amin'ny afo; Ary ny Isiraely hahalasa ny an'izay nahalaza azy, hoy Jehovah. 3Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava Ay! Mitaraina, ianareo zanakavavin'i Raba! Misikina lamba fisaonana ianareo; Manaova fisaonana, ary mivoivoiza eo anaty fefy; Fa lasan-ko babo ny mpanjakany, dia ny mpisorony sy ireo mpanapaka azy. 4Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be. Ry zanakavavy mpiodina, izay mitoky amin'ny rakiny ka manao hoe: Iza moa no ho afa-miakatra atỳ amiko? 5Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin'izay rehetra manodidina anao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary horoahina samy hizotra amin'izay hitsiny avy ianareo rehetra, sady tsy hisy hamory izay mandositra. 6Ary rehefa afaka izany, dia hampodiko ihany avy amin'ny fahababoana ny taranak'i Amona, hoy Jehovah.
Faminaniana ny amin'i Edoma
7 Ny amin'i Edoma. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Very saina va ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?
8 Mandosira, miambohoa ianareo, mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ny loza ho an'i Esao dia nataoko nihatra taminy, dia ny andro hamaliako azy. 9Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafa-pony izy. 10Izaho dia nampitanjaka an'i Esao, ary naharihariko ny fiereny, ka tsy mahazo miery izy; Ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany, ka tsy ao intsony ireny. 11Ilaozy ny zanakao ho kamboty, fa Izaho no hamelona azy, ary aoka Izaho no hitokian'ny vadinao mpitondratena. 12Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin'ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa. 13Fa ny tenako no nianianako, hoy Jehovah, fa ho tonga figagana Bozra sy ho fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ny tanànany rehetra ho lao mandrakizay. 14Fa efa nahare filazana avy tamin'i Jehovah aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa hamely azy, ary mitsangàna hanafika. 15Fa, indro, hataoko tsinontsinona eo amin'ny firenena ianao sy fanazimbazimba eo amin'ny olona, 16Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin'ny tampon'ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon'ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao eny amin'ny avo tahaka ny an'ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah. 17Ary ho figagana Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy. 18Ary toy ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna teny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any, na zanak'olombelona hivahiny any. 19Indro, toy ny fiakatry ny liona avy any amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana no hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza; Fa hampandosiriko tampoka Edoma hiala ao, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko, ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako? 20Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, Izay nosaininy hamelezana an'i Edoma, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy. 21Tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany dia nihorohoro ny tany; Ny feon'ny fitarainany dia re hatrany amin'ny Ranomasina Mena. 22Indro, hanidina hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin'i Bozra; Ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Edoma dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi- jaza.
Faminaniana ny amin'i Damaskosy
23 Ny amin'i Damaskosy. Very hevitra Hamata sy Arpada, fa nandre filazan-doza izy ka kivy; Misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tafatoetra.
24 Efa ketraka Damaskosy ka mihodina handositra, fa, toran-kovitra izy; Ary azon'ny faharariana sy ny fanaintainana, toy ny vehivavy raha miteraka. 25Nahoana re no tsy nilaozana ny tanàna malaza, tanana fifaliako! 26Ka dia hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony. Ary ny miaramila rehetra ho ringana avokoa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 27Ary hisy afo hampirehetiko ao anatin'ny mandan'i Damaskosy, handevona ny lapan'i Beni-hadada.
28 Ny amin'i Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an'i Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana.
29 Halainy ny lainy sy ny ondry aman'osiny, ho entin'ny ambain-dainy mbamin'ny fanaka rehetra sy ny ramevany, sady hiantsoantso hilaza aminy hoe izy: Misy fampangorohoroana manodidina! 30Mandosira, ka mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hamelezany anareo. 31Mitsangàna, iakaro ny firenena miadana izay tsy manana ahiahy, hoy Jehovah. Dia izay tsy misy vavahady mirindrina na mihidy sady mitoka- monina. 32Ho babo ny ramevany, ary horobaina ny omby aman'ondriny betsaka, haeliko ho any amin'ny rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; Ary ho entiko avy amin'ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy Jehovah, 33Ary Hazora dia ho fonenan'ny amboadia sy ho tany lao mandrakizay; Tsy hisy olona honina any, Na zanak'olombelona hivahiny any.
Faminaniana ny amin'i Elama
34 Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'i Elama tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, hoe:
35 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hotapatapahiko ny tsipìkan'i Elama, Izay fototry ny heriny. 36Ary hitondra Avotra efatra avy amin'ny lafiny efatry ny lanitra Aho hamelezana an'i Elama, ary haeliko ho amin'izany rivotra rehetra izany izy, ka tsy hisy firenena izay tsy halehan'ny voaroaka avy any Elama. 37Fa hampivadi-po an'i Elama eo anoloan'ny fahavalony sy eo anoloan'izay mitady ny ainy Aho ka hahatonga loza aminy, dia ny firehetan'ny fahatezerako, hoy Jehovah; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra Mandra-pandaniko azy; 38Dia hapetrako ao Elasma ny seza fiandrianako. Ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka, hoy Jehovah. 39Nefa any am-parany dia mbola hampodiko avy amin'ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago