Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-219 @365
Herinandro faha-32 @52 |

Jeremia 28

Ny faminanian'i Hanania mpaminany sandoka, sy ny navalin'i Jeremia azy
1 Ary tamin'izany taona izany ihany, dia tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahefatra, no nitenenan'i Hanania, zanak'i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon'i Jehovah, teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: 2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Efa notapahiko ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona, 3 ka ao anatin'ny roa taona no hampodiako ho amin'ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah izay nalain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, avy tamin'ity tanàna ity ka nentiny ho any Babylona: 4 ary Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, mbamin'ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babylona, dia hampodiko ho amin'ity tanàna ity, hoy Jehovah; fa hotapahiko ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona. 5 Dia hoy Jeremia mpaminany tamin'i Hanania mpaminany teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay tao an-tranon'i Jehovah, 6 Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon'i Jehovah anie izany! hotanterahin'i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin'ny hampodiana ny fanaky ny tranon'i Jehovah mbamin'ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin'ity tanàna ity indray. 7 Kanefa kosa mba henoinao izao teny izao, izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra: 8 Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin'ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin'ny tany maro sy ny fanjakana lehibe. 9 Ny amin'ny mpaminany izay maminany fiadanana raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin'i Jehovah tokoa izy. 10 Dia nesorin'i Hanania mpaminany ny zioga tamin'ny vozon'i Jeremia mpaminany ka notapahiny. 11 Ary Hanania niteny teo anatrehan'ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah: tahaka izao no hanapahako ny ziogan'i Nebokadnezara, mpanjakan'ny Babylona, ho afaka amin'ny vozon'ny firenena rehetra ao anatin'ny roa taona. Ary dia lasa niala Jeremia mpaminany.
12 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, nony efa notapahin'i Hanania mpaminany ho afaka tamin'ny vozon'i Jeremia mpaminany ny zioga, nanao hoe: 13 Mandehana, ka lazao amin'i Hanania hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zioga hazo no notapahinao, fa zioga vy kosa no hataonao solony. 14 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Zioga vy no nataoko tamin'ny vozon'ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka dia hanompo azy izy; eny, na dia ny bibi-dia aza dia nomeko azy koa.
15 Dia hoy Jeremia mpaminany tamin'i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao Jehovah; fa ianao dia mampitoky ity firenena ity amin'ny lainga. 16 Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hesoriko tsy ho amin'ny tany ianao; amin'ity taona ity ihany no hahafatesanao, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notorinao 17 Ka dia maty tamin'ny volana fahafito tamin'iny taona iny ihany Hanania mpaminany.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago