Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-203 @365
Herinandro faha-29 @52 |

Jeremia 12

Ny fitarainana nataon'i Jeremia noho ny nanambinana ny ratsy fanahy, sy ny navalin'i Jehovah azy
1 Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan'ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra? 2 Nambolenao izy, ka dia miorim-paka; Mitombo izy, ka dia mamoa; Manakaiky Anao amin'ny vavany izy, nefa manalavitra Anao amin'ny fony. 3 Fa Hianao, Jehovah ô, mahalala ahy; Mahita ahy Hianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny ho amin'ny andro hamonoana. 4 Mandra-pahoviana no hisaonan'ny tany sy hahalazoan'ny ahitra any amin'ny saha rehetra? Noho ny faharatsian'ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; Fa hoy ireo: Tsy mba hahita izay hiafarantsika izy.
5 Raha niara-nihazakazaka tamin'ny mandeha an-tongotra ianao ka voany, dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin'ny tany miadana no anananao toky, hanao ahoana kosa ianao, raha mby any amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana? 6 Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin'ny rainao aza dia samy namitaka anao; Eny, niantso mafy teo aorianao ireo; Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy. 7 Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; Ny sombin'aiko dia natolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony. 8 Raha amiko, ny lovako dia efa toy ny liona any an'ala; Mierona amiko izy, ka dia halako. 9 Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia, ka angòny ny bibi-dia rehetra, ampanatony ireny hihinana. 10 Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; Nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra; 11 Nataony lao izany, eny, lao izy ka mitomany amiko; Nataony lao avokoa ny tany rehetra, satria tsy nisy nandatsaka am-po. 12 Ny mpandrava dia tonga any amin'ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-efitra; Fa misy sabatr'i Jehovah mandringana amin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny farany koa, ka dia tsy misy fiadanana ho an'ny nofo rehetra. 13 Vary no nafafiny, fa tsilo no nojinjany; Nanasatra ny tenany izy, kanjo herim-po very foana izany; Dia hangaihay ny amin'ny zavatra azonareo ianareo noho ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah. 14 Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ireo ratsy fanahy rehetra mifanakaiky fonenena amiko ireo, dia izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan'ny Isiraely oloko: Indro, hongotako tsy ho amin'ny taniny ireo, ary ny taranak'i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy. 15 Nefa nony efa voaongotra izy, dia hamindra fo aminy indray Aho, ka samy ho entiko mody any amin'ny lovany sy ny taniny avy indray izy. 16 Koa raha mba hianatra ny fanaon'ny oloko tokoa ireo ka hianiana amin'ny anarako hoe: Raha velona koa Jehovah, tahaka ny nampianaran'ireo ny oloko hianiana amin'i Bala, dia haorina ao amin'ny oloko izy; 17 Fa raha tsy hankatò kosa izy, dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy, hoy Jehovah.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago