Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-113 @365
Herinandro faha-17 @52 |

Jaona 19

Ny nanomboana an'i Jesosy tamin'ny hazo fijaliana
1 Ary tamin'izany dia nalain'i Pilato Jesosy ka nokapohiny. 2 Ary ny miaramila nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny lamba volomparasy Izy, 3 dia nanatona Azy ireo ka niteny hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy! sady namely tahamaina Azy izy. 4 Dia nivoaka indray Pilato ka nanao taminy hoe: Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza. 5 Ary nivoaka Jesosy misatroka tsilo sy mitafy ny lamba volomparasy. Dia hoy Pilato tamin'ny vahoaka: Indro ny Lehilahy! 6 Ary rehefa hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin'ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony. 7 Fa ny Jiosy namaly azy hoe: Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak'Andriamanitra.
8 Ary nony ren'i Pilato izany teny izany, dia vao mainka natahotra izy, 9 dia niditra tao anati-rova indray izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Avy aiza moa Hianao? Fa tsy namaly azy akory Jesosy. 10 Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin'ny hazo fijaliana koa? 11 Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa. 12 Ary hatramin'izany dia nitady handefa Azy Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan'i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an'i Kaisara. 13 Ary rehefa ren'i Pilato izany teny izany, dia nitondra an'i Jesosy nivoaka izy ka nipetraka teo amin'ny seza fitsarana teo amin'ny fitoerana atao hoe Lampivato, fa amin'ny teny Hebreo Gabata 14 ary andro fiomanana amin'ny Paska ny andro, tokony ho tamin'ny ora fahenina dia hoy izy tamin'ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo! 15 Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin'ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan'ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay. 16 Ary tamin'izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana. Dia noraisin'ireo Jesosy; 17 ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin'ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Golgota. 18 Teo no nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany. 19 Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin'ny hazo fijaliana. Ary izao no voasoratra: JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN'NY JIOSY. 20 Ary izany anarana izany dia novakin'ny Jiosy maro, fa akaikin'ny tanàna ny tany izay nanomboana an'i Jesosy tamin'ny hazo fijaliana; ary voasoratra tamin'ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany. 21 Ary noho izany ny lohan'ny mpisorona tamin'ny Jiosy dia nanao tamin'i Pilato hoe; Aza soratana hoe: Mpanjakan'ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan'ny Jiosy Aho. 22 Pilato namaly hoe: Izay voasoratro dia voasoratro. 23 Ary rehefa voahombon'ny miaramila tamin'ny hazo fijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; ary ny akanjony koa; fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany. 24 Dia niresaka hoe izy: Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an'izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko (Sal. 22. 18). Izany zavatra izany no nataon'ny miaramila. 25 Ary nijanona teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin'i Klopa, sy Maria Magdalena. 26 Ary nony hitan'i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin'ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao! 27 Ary hoy koa Izy tamin'ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin'izany ora izany dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy. 28Ary rehefa afaka izany, dia fantatr'i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin'izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho. 29 Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin'ny hysopa ka nataony tamin'ny vavany. 30 Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny. 31 Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin'i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon'ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin'ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany. 32 Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ny anankiray koa izay niaraka nohomboana tamin'i Jesosy tamin'ny hazo fijaliana. 33 Fa nony nankeo amin'i Jesosy izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony. 34 Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin'izay dia nisy rà sy rano nandeha. 35 Ary ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. 36 Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany (Eks. 12. 46; Sal. 34. 20). 37 Ary hoy koa ny teny iray ao amin'ny Soratra Masina: Hijery Izay nolefoniny izy (Zak. 12. 10).

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago