Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-295 @365
Herinandro faha-43 @52 |

Jaona 17

Ny vavaka nataon'i Jesosy ho an'ny mpianany
1 Rehefa nolazain'i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao. 2 araka ny nanomezanao Azy fahefana amin'ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra nomenao Azy. 3 Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. 4 Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko. 5 Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao. 6 Nasehoko tamin'ny olona izay nomenao Ahy avy tamin'izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao. 7 Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy. 8 Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy. 9 Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy. 10 Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho. 11 Ary tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika. 12 Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina. 13 Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin'izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy. 14 Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman'izao tontolo izao. 15 Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy. 16 Tsy naman izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman'izao tontolo izao. 17 Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. 18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao. 19 Ary ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy. 20 Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny; 21 mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. 22 Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika: 23 Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy. 24 Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao. 25 Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy. 26 Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago