Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-342 @365
Herinandro faha-49 @52 |

Jakoba 2

Ny fahafoanan'ny finoana tsy misy asa
1 Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan'olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon'ny voninahitra. 2 Fa raha misy olona miditra eo amin'ny synagoganareo misy peratra volamena amin'ny rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy, 3 koa mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin'ny fitoerana aloha ianao; ary manao amin'ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha etsy amin'ny fitoeran-tongotro,- 4 moa tsy miangatrava ianareo amin'izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy? 5 Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny malahelo amin'izao fiainana izao ho mpanankarena amin'ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy? 6 Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana? 7 Tsy izy koa va no miteny ratsy ny anarana tsara izay niantsoana anareo? 8 Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra ianareo, araka ny Soratra Masina hoe: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Lev. 29.18), dia manao tsara ianareo. 9 Fa raha mizaha tavan'olona kosa ianareo, dia manota ka helohin'ny lalàna ho mpanota. 10 Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. 11 Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao. 12 Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny lalàn'ny fahafahana. 13 Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran'izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.
14 Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? 15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan'andro, 16 ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo amin'izany? 17 Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. 18 Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako. 19 Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. 20 Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa? 21 Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo ambonin'ny alitara? 22 Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa; 23 ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 25.6), ary natao hoe "Sakaizan'Andriamanitra" izy (Isa. 41.8). 24 Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany. 25 Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin'ny asa va izy tamin'ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin'ny lalan-kafa? 26 Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago