Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-136 @365
Herinandro faha-20 @52 |

Isaia 6

Ny nanendrena an'Isaia ho mpaminany
1 Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban'akanjony nahafeno ny tempoly. 2 Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany. 3 Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra. 4 Dia nihorohoro ny fanambanin'ny tokonana noho ny feon'ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano. 5 Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no efa hitan'ny masoko. 6 Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain'afo teny an-tànany, izay nalainy tamin'ny ny tandra avy teo amin'ny alitara. 7 Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin'ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao. 8 Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho. 9 Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin'ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra. 10 Ataovy adala ny fon'ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana. 11 Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan'ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa; 12 Ary Jehovah hampandeha lavitra ny olona, Ka ho be ny lao ao amin'ny tany; 13 Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masina ho fotony.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago