Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-182 @365
Herinandro faha-26 @52 |

Isaia 56

Anatra ny amin'ny fitanana ny marina sy nybfitandremana ny Sabata, ary toky ho an'ny proselyta sy ny ionoka
1 Izao no lazain'i Jehovah: Tandremo ny rariny, ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako. 2 Sambatra ny zanak'olombelona izay manao izany, ary ny zanak'olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory. 3 Ary aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin'i Jehovah tsy ho isan'ny olony tokoa aho; Ary aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina aho. 4 Fa izao no lazain'i Jehovah: Ny amin'ny ionoka izay mitandrina ny Sabatako sy mifidy izay sitrako ary mitana ny fanekeko, 5 Dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin'ny mandako izy, izay tsara lavitra noho ny an'ny zanakalahy sy ny zanakavavy; dia anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy. 6 Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko 7 Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra. 8 Izao no lazain'i Jehovah Tompo, Izay mamory ny Isiraely voaroaka: Mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy.
Ny nahadiso ny lehiben'ny Isiraely, sy ny nataon'ny olona koa
9 He, ianareo bibi-dia rehetra! Avia hihinana, ianareo biby rehetra any an'ala. 10 Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa, izy rehetra, ka tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka torimaso. 11 Lian-kanina ireny amboa ireny; ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin'ny lalany avy izy rehetra, samy mankamin'ny filàny harena avokoa izy rehetra. 12 Avia, ianareo, hoy ireny fa haka divay aho, ary aoka hiboboka toaka isika; ary rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra lavitra aza

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago