Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-181 @365
Herinandro faha-26 @52 |

Isaia 55

Fiantsoana ny olona rehetra handray ny fahavoavan'Andriamanitra
1 He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena. 2 Nahoana ianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin'ny matavy ny fanahinareo. 3 Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida. 4 Indro, nataoko vavolombelona ho an'ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin'ny firenena. 5 Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin'i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin'ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao. 6 Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. 7 Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. 8 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. 9 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. 10 Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an'ny mpamafy sy hanina ho an'ny mpihinana, 11 Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy. 12 Fa amin'ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin'ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana. 13 Ny hazo kypreso haniry ho solon'ny tsilo, ary ny rotra ho solon'ny sampivato; ary ho anarana ho an'i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago