Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-178 @365
Herinandro faha-26 @52 |

Isaia 52

Ny hanafahana an'i Jerosalema amin'ny fahandevozana sy ny fatorana
1 Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masina; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto. 2 Ahintsano ny vovoka hiala amin'ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin'ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo. 3 Fa izao no lazain'i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo. 4 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan'ny oloko tamin'ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana. 5 Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako. 6 Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin'izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho. 7 Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin'i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao! 8 Injany ny feon'ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian'i Jehovah ho any Ziona. 9 Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an'i Jerosalema. 10 Jehovah efa nampiseho ny sandriny masina teo imason'ny firenena rehetra; ary ny faran'ny tany rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitsika. 11 Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak'i Jehovah. 12 Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.
Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, dia ny zava-mahagaga nataony, sy ny nandavan'ny maro Azy, sy ny fahoriana nentiny, sy ny avotra vitany, ary ny voninahitra homena Azy
13 Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra. 14 Fa toy ny nigagan'ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin'olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak'olombelona), 15 Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin'ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago