Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-160 @365
Herinandro faha-23 @52 |

Isaia 33

Ny hampijaliana an'i Asyria, sy ny soa ho hitan'i Ziona kosa
1 Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa. 2 Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay; Aoka ho sandrinay isa-maraina ianao sy ho famonjena anay amin'ny andro fahoriana.
3 Ny feon'ny fitabatabana no mampandositra ny firenena; Raha misandratra Hianao, dia mipariaka ny jentilisa. 4 Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon'ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy.
5 Manerinarina Jehovah, fa mitoetra any amin'ny avo Izy; Nofenoiny rariny sy fahamarinana Ziona. 6 Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren'ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an'i Jehovah no rakitrao. 7 Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy. 8 Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy. 9 Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela. 10 Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin'ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho. 11 Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo. 12 Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin'ny afo izy. 13 Mihainoa ny amin'izay efa nataoko, ianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky. 14 Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin'ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin'ny lelafo mandrakizay? 15 Izay mandeha amin'ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin'ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin'ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy; 16 Izy no honina ao amin'ny avo; Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin'ny harambato; Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso. 17 Ny masonao hahita ny mpanjaka amin'ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka. 18 Hotsaroan'ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra ? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny tilikambo? 19 Ny firenena misetaseta dia tsy ho hitanao intsony, dia ilay olona miboediboedi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy azo. 20 Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin'ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an'i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny. 21 Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa sy halehan'ny sambo voizina, na hovakin'ny sambo lehibe. 22 Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika. 23 Mivaha ny mahazakan-tsambonao; Tsy mahahazona mafy ny fiorenan'andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin'izay kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany. 24 Tsy hisy amin'ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago