Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-134 @365
Herinandro faha-20 @52 |

Isaia 3

1 Fa, indro, Jehovah, Tompon'ny maro, Manaisotra amin'i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan'aina, 2 Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona, 3 Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody. 4 Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy. 5 Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin'ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin'ny manan-daza. 6 Raha misy olona angatahin'ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao, 7 Dia namaly izy amin'izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho. 8 Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an'i Jehovah Mba hihaika ny mason'ny voninahiny. 9 Ny fisehon'ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an'i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan'ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin'ny tenany izy. 10 Lazaonareo ny amin'ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny. 11 Lozan'ny ratsy fanahy! hiharan'ny ratsy izy, Satria ny valin'ny nataon'ny tànany ihany no hanody azy. 12 Ny amin'ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao. 13 Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena. 14 Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben'ny olony amin'ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan'ny malahelo izay efa nalaina an-keriny. 15 Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan'ny malahelo ? Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
16 Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin'i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony, 17 Noho izany dia hataon'ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan'ny zanakavavin'i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany. 18 Amin'izany andro izany dia hesorin'i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, 19 Na ny kavina voavola, na ny rojo, na ny fisalobonana makarakara, 20 Na ny satroka, na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka, 21 Na ny peratra, na ny kavin'orona, 22 Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na ny poketra, 23 Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana, na ny lamba fisaronana; 24 Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin'ny vy mahamay. 25 Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an'ady; 26 Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago