Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-151 @365
Herinandro faha-22 @52 |

Isaia 23

Faminaniana ny amin'loza hanjo an'i Tyro
1 Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin'ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.
2 Mangina, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin'ny ranomasina, no efa nampanan-karena anao. 3 Teny amin'ny rano be ny varin'i Sihora, dia ny vokatr'i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan'ny firenena izy. 4 Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina. 5 Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an'i Tyro. 6 Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka. 7 Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin'ny tongony hivahiny any lavitra any? 8 Iza no nikasa izany hamelezana an'i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin'ny tany ny mpivarony. 9 Jehovah, Tompon'ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan'ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin'ny tany. 10 Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an'i Neily; Fa tsy misy fifehezana intsony. 11 Ny tànan'i Jehovah nahifiny tambonin'ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin'i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy. 12 Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao. 13 Indro ny tanin'ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon'ny Asyriana fonenan'ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan'ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato. 14 Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy. 15Ary amin'izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron'ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan'ilay tonon-kalon'ny janga manao hoe: 16"Makà lokanga, ka miveziveze eran'ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao." 17 Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an'i Tyro, ka dia hiverina amin'ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin'ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao. 18 Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago