Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-312 @365
Herinandro faha-45 @52 |

Hosea 5

1 Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak'Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin'ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran'ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara. 2 Ny mpivadika dia fatra-pamono; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra. 3 Izaho mahalala an'i Efraima, ary Isiraely tsy takona amiko; Ankehitriny dia tonga mpijangajanga ianao, ry Efraima, voaloto Isiraely. 4 Tsy avelan'ny ataony hiverina amin'Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany. 5 Ary ny avonavon'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Ary Isiraely indrindra fa Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy koa. 6 Hitondra ny ombiny aman'ondriny izy ka handeha hitady an'i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah efa niala taminy. 7 Nivadika tamin'i Jehovah izy, fa niteraka zaza sary; Ankehitriny dia ho levon'ny voaloham-bolana izy mbamin'ny zara-lovany. 8 Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina! 9 Ho lao Efraima, raha mby amin'ny andro fanamelohana; Izay tsy maintsy ho tò no nambarako tao amin'ny firenen'Isiraely. 10 Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina rano. 11 Ampahorina Efraima sady voatorotoron'ny fitsarana, satria ninia nanaraka didin'olombelona izy, 12 Koa amin'i Efraima dia tahaka ny kalalao Aho ary amin'ny taranak'i Joda dia toy ny fositra. 13 Rehefa hitan'i Efraima ny aretiny, ary Joda ny feriny, dia nantany amin'ny Asyriana Efraima, eny, naniraka ho any amin'i Jareba mpanjaka izy; Nefa izy tsy mahasitrana anareo, na mampanaritra ny ferinareo. 14 Fa amin'i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin'ny taranak'i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy. 15 Handeha hody any amin'ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago