Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-320 @365
Herinandro faha-46 @52 |

Hosea 13

Ny loza nanjo ny Isiraely noho ny fahotany
1 Raha niteny Efraima, dia nampangorohoro, ka nisandratra tao amin'ny Isiraely izy. Dia nanota ny amin'i Bala izy ka maty; 2 Ary ankehitriny dia mandroso manota izy, fa ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra an-idina ho azy, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan'ny mpiasa avokoa; Ireny dia lazainy hoe: Aoka hanoroka ny ombilahy kely izay olona mamono zavatra hatao fanatitra. 3 Koa ho toy ny rahona maraina izy sy ho toy ny ando izay levona, raha mbola maraina ny andro, sy ho toy ny akofa izay paohin'ny rivotra hiala amin'ny fa noloana, ary ho toy ny setroka avy amin'ny varavarana makarakara. 4 Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin'ny tany Egypta, ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao, sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho. 5 Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, dia tany amin'ny tany mampangetaheta. 6 Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy. 7 Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, toy ny leoparda amoron-dalana no famitsako. 8 Mamely azy toy ny famelin'ny bera very anaka Aho, ka mandriatra ny sarom-pony, eny, any no andrapahako azy toy ny fandrapaky sy liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy. 9 Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy Izay famonjena anao ianao. 10 Aiza ary izay mpanjakanao, Mba hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo andriambaventinao, izay nantsoinao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho? 11 Nomeko mpanjaka ianao tamin'ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin'ny fahavinirako.
12 Voafehy ny helok'i Efraima, voatahiry ny fahotany. 13 Fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka no mahazo azy; Zazalahy tsy hendry izy, fa raha tonga ny fotoana, dia tsy mba mandroso ho eo amin'ny fiterahan-jaza izy. 14 Havotako tsy ho azon'ny herin'ny fiainan-tsi-hita izy; Hovonjeko ho afaka amin'ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan'ny masoko ny nenina. 15 Fa Efraima dia hahavokatra eo amin'ny rahalahy; Nefa ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotr'i Jehovah miakatra avy any an-efitra, ka dia ho ritra ny loharanony, ary ho tankina ny fantsakany; Hobaboina ny rakitra, dia ny fanaka tsara rehetra.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago