Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-335 @365
Herinandro faha-48 @52 |

Hebreo 6

1 Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin'ny asa maty sy finoana an'Andriamanitra, 2 ary fampianarana ny amin'ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan'ny maty sy ny fitsarana mandrakizay. 3 Ary izany no hataontsika, raha avelan'Andriamanitra. 4 Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina 5 ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy, 6 nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana, satria manombo ny Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana. 7 Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra; 8 fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana. 9 Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena. 10 Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany. 11 Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin'ny fanantenana hatramin'ny farany; 12 mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin'ny finoana sy ny faharetana. 13 Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin'i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin'ny tenany Izy 14 ka nanao hoe: "Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao" (Gen. 22.17). 15 Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana. 16 Fa ny olona dia mianiana amin'izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra. 17 Ary amin'izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin'ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan'ny sitrapony, dia nataony mafy tamin'ny fianianana izany, 18 mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain'Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika, 19 izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin'ny efitra lamba; 20 tany no nidiran'i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe "mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka" Izy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago