Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-338 @365
Herinandro faha-49 @52 |

Hebreo 11

Filazan-tantara mampiseho ny herin'ny finoana sy ny valiny
1 Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. 2 Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo. 3 Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao. 4 Finoana no nanateran'i Abela ho an'Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an'i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin'ny fanatitra nataony: ary amin'izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany. 5 Finoana no namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan'Andriamanitra izy. 6 Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. 7 Finoana no nanamboaran'i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra ny amin'ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana. 8 Finoana no naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany. 9 Finoana no nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana, toy ny any an-tanin'olona, mitoetra an-day, mbamin'isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy; 10 fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany. 11 Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan'anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana. 12 Koa dia avy tamin'ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian'ny maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa. 13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin'ny tany izy. 14 Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy. 15 Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany. 16 Fa amin'izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an'ireo Izy. 17 Finoana no nanateran i Abrahama an'isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin'ilay efa nandray tsara ny teny fikasana, 18 dia ilay nilazana hoe: "Avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao" (Gen. 21.12). 19 Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin'izany no nandraisany azy. 20 Finoana no nitsofan'isaka rano an'i Jakoba sy Esao ny amin'ny zavatra ho avy. 21 Finoana no nitsofan'i Jakoba rano ny zanak'i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka nivavaka izy, niankina tamin'ny lohan'ny tehiny. 22 Finoana no nilazan'i Josefa ny fialan'ny Zanak'isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin'ny taolany. 23 Finoana no nanafenan'ny ray aman-drenin'i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin'ny mpanjaka. 24 Finoana no nandavan'i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin'i Farao, rehefa lehibe izy,- 25 nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin'ny olon'Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin'ny fahotana, 26 nanao ny fanaratsiana an'i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy. 27 Finoana no nandaovany an'i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran'ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy. 28 Finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa. 29 Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman'ny Egyptiana, ka dia voatelina izy. 30 Finoana no nampirodana ny màndan'i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana. 31 Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin'ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin'ny fihavanana izy. 32 Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an'i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany, 33 izay nandresy fanjakana tamin'ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan'ny liona, 34 namono ny fidedadedan'afo, afaka tamin'ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin'ny ady, dia nampandositra ny miaramilan'ny firenena hafa. 35 Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra; 36 ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa; 37 notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy; efa lao, ory, fadiranovana 38 (nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany an'tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy. 39 Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana, 40 fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago