Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-3 @365
Herinandro Voalohany @52 |

Genesisy 6

Noa sy ny Safo-drano
1 Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy maro, 2 dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy. 3 Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny. 4 Ny Nefilima nitoetra tambonin'ny tany tamin'izany andro izany, sy taorian'izany koa, raha nivady tamin'ny zanakavavin'ny olona ny zanak'Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza. 5 Ary hitan'i Jehovah fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin'ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. 6 Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin'ny tany, ka nalahelo ny fony. 7 Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin'ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin'ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy. 8 Fa Noa kosa nahita fitia teo imason'i Jehovah.
9 Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa. 10 Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy , dia Sema sy Hama ary Jafeta. 11 Ary simba ny tany teo anatrehan'Andriamanitra sady heni-doza; 12 dia hitan'Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin'ny tany.
13 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin'ny tany Aho. 14 Koa manaova sambo-fiara ho anao amin'ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy. 15 Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan'ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony. 16 Ary hasianao fidiran'ny mazava ny sambo-fiara, ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao efitra telo mifanongoa izy. 17 Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin'ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin'ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin'ny tany. 18 Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy miaraka aminao. 19 Ary ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin'ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. 20 Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina. 21 Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an'ireo koa izany. 22 Dia nataon'i Noa izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago