Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-26 @365
Herinandro faha-4 @52 |

Genesisy 42

Ny nandehanan'ny zanak'i Jakoba hividy vary tany Egypta, sy ny nihaonany tamin'i Josefa
1 Ary fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin'ny zananilahy: Nahoana no mifampijery foana ianareo ? 2 Dia hoy koa izy: Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha midina any ianareo, ka mividia ho antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty. 3 Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin'i Josefa mba hividy vary tany Egypta. 4 Fa Benjamina, rahalahin'i Josefa, tsy mba nampandehanin'i Jakoba niaraka tamin'ny rahalahiny; fa hoy izy: Andrao hisy loza hanjo azy. 5 Dia tonga ny zanak'Isiraely mba hividy vary niaraka tamin'izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana. 6 Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin'ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin'i Josefa ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany. 7 Ary hitan'i Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza ianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin'ny tany Kanana izahay mba hividy hanina. 8 Ary fantatr'i Josefa ny rahalahiny, nefa izy ireo kosa tsy mba nahafantatra azy. 9 Ary Josefa nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo ianareo; hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo. 10 Fa hoy izy ireo taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao. 11 Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao. 12 Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo. 13 Fa hoy izy; Roa ambin'ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin'ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony. 14 Ary hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo ianareo no marina; 15 dia izao àry no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala atỳ ianareo, raha tsy tonga atỳ izany zandrinareo faralahy izany. 16 Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa ianareo. 17 Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra. 18 Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona ianareo; fa izaho matahotra an'Andriamanitra: 19 Raha olo-marina ary ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo mirahalahy avy no hafatotra ao amin'ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo hitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo; 20 ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina ianareo. Ary nataony izany. 21 Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin'ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian'ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan'izao fahoriana izao amintsika. 22 Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin'ny zaza? nefa tsy mba nihaino ianareo; koa indro fa adinina ny ràny izao. 23 Ary izy ireo tsy mba nahalala fa Josefa nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny niresahany taminy. 24 Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an'i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.
25 Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan'ny isan-dahy ho ao anatin'ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao izany taminy izy. 26 Ary natainginy tamin'ny borikiny ny vary, dia lasa nandeha izy. 27 Ary raha nosokafan'ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin'izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan'ny lasakany izany. 28 Dia hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin'ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon'Andriamanitra amintsika izao ? 29 Ary tonga tany amin'i Jakoba rainy, tany amin'ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy izay rehetra efa nanjo azy, ka hoy izy : 30 Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon'ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany izahay. 31 Ary hoy izahay taminy: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory; 32 roa ambin'ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny faralahy dia any amin'ny rainay any amin'ny tany Kanana ankehitriny. 33 Dia hoy ralehilahy, tompon'ny tany, taminay: Izao ary no hahafantarako fa olo-marina ianareo : ny anankiray aminareo mirahalahy avy dia avelao atỳ amiko, ka mitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo, dia mandehana; 34 ary ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy, dia ho fantatro fa tsy mba mpisafo ianareo, fa olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo, ka dia hanao varotra eto amin'ny tany ianareo. 35 Ary raha nandraraka izay tao anatin'ny lasakany izy ireo, dia, indro, ny volany am-ponosana samy teo anatin'ny lasakany avy; ary rehefa nahita ny volany am-ponosana izy sy ny rainy, dia samy raiki-tahotra. 36 Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin'izany rehetra izany, 37 Ary Robena niteny tamin'ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray. 38 Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin'ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny volo fotsiko.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago