Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-24 @365
Herinandro faha-4 @52 |

Genesisy 39

Ny nanaovana an'i Josefa tao an-trano-maizina
1 Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany. 2 Ary Jehovah nomba an'i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon'ilay Egyptiana tompony izy. 3 Ary hitan'ny tompony fa nomban'i Jehovah izy, ka izay rehetra natao­ny dia nambinin'i Jehovah avokoa teo aminy. 4 Ary Josefa nahita fitia teo imason'ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny. 5 Ary hatramin'izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin'izay rehetra nananany dia notahin'i Jehovah ny tranon'ilay Egyptiana noho ny amin'i Josefa; ary ny fitahian'i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha. 6 Dia navelany ho andraikitr'i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy.
7 Ary taorian'izany ny vadin'ny tompony nanopy ny masony hijery an'i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko. 8 Dia nandà izy ka nanao tamin'ny vadin'ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa. 9 Tsy misy lehibe noho izaho raha amin'ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin'Andriamanitra? 10 Ary na dia niteny tamin'i Josefa isan'andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy. 11 Ary tamin'ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin'izay. 12 Dia nisambotra azy tamin'ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe : Avia handry amiko; fa navelan'i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano. 13 Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy, 14 dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin'ny feo mahery aho; 15 ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano. 16 Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon'i Josefa, mandra-pahatongan'ny tompony tao an-trano. 17 Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy; 18 ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy. 19 Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany. 20 Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy. 21 Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina. 22 Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony. 23 Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago