Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-22 @365
Herinandro faha-4 @52 |

Genesisy 37

Ny nankahalan'ny rahalahin'i Josefa azy, sy ny nivarotany azy ho andevo
1 Ary Jakoba nonina tany amin'ny tany fivahinian'ny rainy, dia tany amin'ny tany Kanana.
2 Ary izao no tantaran'i Jakoba: Rehefa fito ambin'ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin'ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin'ny zanak'i Bila sy ny zanak'i Zilpa, vadin'i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy. 3 Ary tian'Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava. 4 Ary nony hitan'ny rahalahiny fa Josefa no tian'ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy. 5 Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin'ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany. 6 Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao: 7 Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan'ny amboarako. 8 Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy. 9 Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin'ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo niankohoka teo anatrehako. 10 Ary nambarany tamin'ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao? 11 Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany. 12 Ary lasa ny rahalahiny niandry ny ondrin'ny rainy tany Sekema. 13 Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy : Inty Aho. 14 Ary hoy ny rainy taminy: Masìna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman'osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin'ny lohasahan'i Hebrona izy, dia nankany Sekema. 15 Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao? 16 Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna ianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry. 17 Ary hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana. 18 Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy. 19 Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy. 20 Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin'ny anankiray amin'ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin'ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin'izany na hanao ahoana ny nofiny. 21 Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin'ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika. 22 Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin'io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin'ny tanan'ny rahalahiny hitondrany azy any amin'ny rainy indray. 23 Ary rehefa tonga teo amin'ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy; 24 dia nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin'izay, fa tsy nisy rano tao. 25 Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta. 26 Ary hoy Joda tamin'ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny ràny isika? 27 Andeha hamidintsika amin'ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tanantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny. 28 Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin'ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin'ny Isimaelita; ary dia nitondra an'i Josefa ho any Egypta ireo. 29 Dia niverina nankeo amin'ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy. 30 Dia niverina nankeo amin'ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako?
31 Ary nalain'ireo rahalahiny ilay akanjon'i Josefa, dia namono zanak'osy izy, ka natsobony tamin'ny rà ny akanjo. 32 Dia nampanateriny ho any amin'ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay; koa fantaro na akanjon'ny zanakao ity, na tsia? 33 Dia fantany, ka hoy izy: Akanjon'ny zanako io: efa lanin'ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa. 34 Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin'ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro. 35 Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin'ny zanako any amin'ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy. 36 Ary ny Midianita nivarotra an'i Josefa tany Egypta tamin'i Potifara, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago