Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-8 @365
Herinandro faha-2 @52 |

Genesisy 16

Ny nahaterahan'Isimaela
1 Ary Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany. 2 Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray. 3 Ary rehefa nonina folo taona teo amin'ny tany Kanana Abrama, dia nalain'i Saray, vadin'i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an'i Abrama vadiny mba hovadiny. 4 Dia nivady tamin'i Hagara izy, ka nanan'anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan'anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny. 5 Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan'anaka izy, dia na¬taony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao. 6 Ary hoy Abrama tamin'i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin'i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.
7 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nahita azy teo anilan'ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan'ilay loharano eo amin'ny lalana mankany Sora. 8 Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin'i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan'i Saray tompovaviko aho. 9 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Miverena any amin'ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao. 10 Ary hoy koa Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany. 11 Ary hoy indray Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Indro, manan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah. 12 Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan'ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy. 13 Ary Hagara nanao ny anaran'i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian'ny fahitana? 14 Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan'i Kadesy sy Bareda izany.
15 Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin'i Abrama; ary ny anaran'ny zanany izay naterany dia nataon'i Abrama hoe Isimaela. 16 Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an'Isimaela taminy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago