Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-277 @365
Herinandro faha-40 @52 |

Galatiana 6

1 Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.
2 Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy. 3 Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy. 4 Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin'ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin'ny olon-kafa; 5 fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.
6 Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an'izay mampianatra.
7 Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. 8 Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy. 9 Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. 10 Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.
Anatra farany
11 Indro ny havaventin'ny soratra izay soratan'ny tanako ho aminareo. 12 Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin'ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany : fandrao henjehina noho ny hazo fijalian'i Kristy izy. 13 Fa na dia ny tenan'izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa ianareo, mba hireharehany amin'ny nofonareo. 14 Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao. 15 Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao. 16 Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindram-po, ary ho amin'ny Isiraelin'Andriamanitra. 17 Amin'izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik'i Jesosy voatomboka eo amin'ny tenako. 18 Ho amin'ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago