Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-92 @365
Herinandro faha-14 @52 |

Galatiana 1

Fiarahabana
1 Paoly Apostoly - tsy avy tamin'olona, na tamin'ny alalan'olona, fa tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin'ny maty - 2 mbamin'ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia: 3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika, 4 Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika; 5 ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
Fananarana ny Galatiana noho ny fivadibadihany, sy ny fanambarana ny mah'Apostoly an'i Paoly
6 Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa, 7 izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy. 8 Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. 9 Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy, 10 Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy. 11 Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. 12 Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. 13 Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy; 14 ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra. 15 Fa raha sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon'ineny ny niantso ahy tamin'ny fahasoavany, 16 ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, niaraka tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-drà aho, 17 ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin'izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray. 18 Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin'ny folo andro. 19 Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin'ny Tompo. 20 Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho. 21 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho; 22 ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko. 23 Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny . 24 Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago