Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-282 @365
Herinandro faha-41 @52 |

Filipiana 4

1 Ary amin'izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin'ny Tompo ianareo, ry malalako. 2 Mananatra an'i Eodia aho, ary mananatra an'i Syntyke, mba hiray saina ao amin'ny Tompo izy. 3 Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin'ny filazantsara izy, mbamin'i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin'ny bokin'ny fiainana.
4 Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia. 5 Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo. 6 Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. 7 Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy. 8 Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany. 9 Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
Saotra nataon'i Paoly ny Filipiana noho ny fanomezana nampitondrainy an'i Epafrodito, ary fanaovam-beloma sy tso-drano.
10 Ary faly indrindra ao amin'ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo. 11 Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana. 12 Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo. 13 Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy. 14 Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy. 15 Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin'ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany. 16 Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy. 17 Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no ilazako izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho. 18 Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin'i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian'Andriamanitra sady ankasitrahany. 19 Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy. 20 Ary ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. 21 Manaova veloma ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko. 22 Manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan'i Kaisara. 23 Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago