Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-282 @365
Herinandro faha-41 @52 |

Filipiana 3

Anatra nataon'i Paoly mba tsy haneken'ny Filipiana izay mpampianatra sandoka, fa hitady handroso amin'ny fitondran-tena tsara rehetra
1 Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany. 2 Tandremo ny tenanareo amin'ny amboa, tandremo ny tenanareo amin'ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin'ny voakilema. 3 Fa isika no voafora, izay manompo amin'ny Fanahin'Andriamanitra ary manao an'i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin'ny nofo; 4 kanefa mba manana izay hitokiako amin'ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin'ny nofo, mainka fa izaho; 5 fa voafora tamin'ny andro fahavalo aho, avy amin'ny fototr'isiraely, dia avy amin'ny firenen'i Benjamina; Hebreo sady avy amin'ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo; 6araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin'ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny. 7 Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin'i Kristy. 8 Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy; 9 ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an'i Kristy, dia ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny finoana; 10eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany, 11 raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty. 12 Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan'i Kristy Jesosy ahy. 13 Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, 14 eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy. 15 Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany; fa hasehon'Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa ianareo. 16 Kanefa aoka ho amin'ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika. 17 Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika. 18 Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin'ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy ireny; 19 fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin'ny tany izy. 20 Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo, 21 Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago