Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-317 @365
Herinandro faha-46 @52 |

Ezra 9

Ny alahelon'i Ezra, raha nahare fa ny Jiosy efa nifanambady tamin'ny firenena hafa, ary ny nibebahan'ny olona tamin'izany
1 Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin'ny olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy. 2 Fa efa naka tamin'ny zanakavavin'ireo ho vadiny sy ho vadin'ny zananilahy izy, ka efa miharoharo amin'ny olona tompon-tany ny taranaka masina; eny, ny lehibe sy ny mpanapaka aza no nitari-dalana tamin'izany fahadisoana izany. 3 Ary nony nandre izany zavatra izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro, dia nipetraka tahaka ilay torana iny aho. 4 Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin'Andriamanitry ny Isiraely ny amin'ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva. 5 Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nody ny aiko, ka nitsangana aho, sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin'i Jehovah Andriamanitro aho 6 ka nanao hoe: Andriamanitro ô, menatra sy mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra; 7 fa hatramin'ny andron'ny razanay ka mandraka androany dia lehibe ny helokay; ary ny helokay no nanolorana anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny tany hafa, hovonoin-tsabatra sy ho babo sy ho voaroba ary hangaihay tahaka ny amin'izao anio izao. 8 Koa ankehitriny vao niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin'i Jehovah Andriamanitray tamin'ny namelany anay ho nisy sisa afaka sy tamin'ny nanomezany anay fihantonana eo amin'ny fitoerany masina, mba hohazavain'Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin'ny fahandevozanay izahay. 9 Fa andevo izahay, nefa tsy nafoin'Andriamanitray, na dia tamin'ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo famindram-po eto imason'ireo mpanjakan'i Persia ihany hanomezany anay famelombelomana, hanangananay ny tranon'Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema. 10 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ahoana no holazainay amin'izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay, 11 dia ilay nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay efa hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan'ny tompon-tany sy ny fahavetavetany, izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany; 12 koa aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy, na maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay, mba hahery ianareo ka hihinana ny soa avy amin'ny tany, dia hamela izany ho lovan'ny taranakareo mandrakizay. 13 Ary na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka, dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Hianao Andriamanitray, fa efa namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany, 14 fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin'ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka akory? 15 Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, marina Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka ny amin'izao anio izao; indreto izahay eto anatrehanao amin'ny fahadisoanay, fa noho izany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago