Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-315 @365
Herinandro faha-45 @52 |

Ezra 7

Ny nandehanan'ny Jiosy maro koa izay nentin'i Ezra avy tany Babylona
1 Ary rehefa afaka izany, tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia, dia niakatra Ezra, zanak'i Seraia, zanak'i Azaria, zanak'i Hilklay 2 zanak'i Saloma, zanak'i Zadoka, zanak'i Ahitoba, 3 zanak'i Amaria, zanak'i Azaria, zanak'i Meraiota, 4 zanak'i Zerahia, zanak'i Ozy, zanak'i Boky, 5 zanak'i Abisoa, zanak'i Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisoronabe; 6 io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn'i Mosesy, izay efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen'ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban'ny tànan'i Jehovah Andriamaniny azy. 7 Ary niakatra koa ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely sy ny sasany amin'ny mpisorona mbamin'ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka. 8 Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito nanjakan'ny mpanjaka. 9 Fa tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamaniny taminy. 10 Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn'i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika. 11 Ary izao no tenin'ny taratasy izay nomen'i Artaksersesy mpanjaka an'i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin'ny lalàn'i Jehovah sy ny didiny tamin'ny Isiraely: 12 Artaksersesy, mpanjakan'ny mpanjaka, ho an'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra. 13 Izaho manao didy fa na iza na iza eto amin'ny fanjakako amin'ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy. 14 Fa ianao efa nirahin'ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny toetran'i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitrao izay eny an-tananao; 15 ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin'ny sitrapo ho an'Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema; 16 ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran'ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin'ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin'ny sitrapo hanaovany ny tranon'Andriamaniny, izay any Jerosalema. 17 Koa amin'izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy zanak'ondry mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy amin'io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin'ny alitara ao an-tranon'Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny. 18 Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin'ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon'Andriamanitrareo. 19 Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan'Andriamanitra any Jerosalema. 20 Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an'ny tranon'Andriamanitrao dia alao ao amin'ny trano firaketan'ny mpanjaka. 21 Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin'ny mpitahiry ny haren'ny fanjakana rehetra izay any an-dafin'ny ony, fa na inona na inona no ilain'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany, 22 na hatramin'ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza. 23 Na inona na inona andidian'Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an'ny tranon'Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin'ny fanjakan'ny mpanjaka sy ny zanany? 24 Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin'io tranon'Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara. 25 Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren'Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin'ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn'Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo. 26 Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalan'Andriamanitrao sy ny lalàn'ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra. 27 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon'ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon'i Jehovah any Jerosalema. 28 sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin'ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban'ny tanan'i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin'ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago