Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-255 @365
Herinandro faha-37 @52 |

Ezekiela 8

Fahitana ny amin'ny nanarahan'ny olona tany Jerosalema ny fomban-tsampy
1 Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon'ny Joda, dia nilatsaka tamiko ny tànan'i Jehovah Tompo. 2 Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin'afo; hatramin'ny valahany no ho midina dia afo; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon'ny metaly mamirapiratra. 3 Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin'ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan'ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin'ny fahitana avy amin'Andriamanitra, ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro. 4 Ary, indro, teo ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely tahaka ilay fahitana efa hitako teo amin'ny lohasaha. 5 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, atopazy kely amin'ny lalana mianavaratra ny masonao. Dia natopiko tamin'ny lalana mianavaratra ny masoko ka, indro, eny avaratry ny vavahadin'ny alitara no nisy ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro teo amin'ny fidirana. 6 Dia hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, hitanao va izay ataon'ireo, dia ny fahavetavetana lehibe izay ataon'ny taranak'Isiraely eto ka mampanalavitra Ahy amin'ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe koa ianao.
7 Dia nentiny ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja aho; ary hitako fa, indro, nisy loaka teo amin'ny ampiantany. 8 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, loahy ny ampiantany; dia noloahako ny ampiantany ka, indro, nisy varavarana. 9 Ary hoy Izy tamiko: Midira, ka jereo ny fahavetavetana lehibe ataony eto. 10 Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin'ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, dia izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an'ny taranak'Isiraely, voasoratra teo amin'ny rindrina manodidina. 11 Ary nisy olona fito-polo lahy, isan'ny loholon'ny taranak'Isiraely, nitsangana teo anoloan'ireo, ary Jazania, zanak'i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tànany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata. 12 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona efa hitanao va ny ataon'ny loholon'ny taranak'Isiraely amin'ny maizina, dia samy ao amin'ny efi-tranony misy sary? Fa hoy izy: Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy. 13 Ary hoy koa Izy tamiko: Mbola hahita fahavetavetana lehibe izay ataony koa ianao. 14 Dia nentiny ho eo anoloan'ny vavahadin'ny tranon'i Jehovah, izay manatrika ny avaratra aho; ary, indreo, nisy vehivavy nipetraka teo, nitomany an'i Tamoza. 15 Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany ry zanak'olona? Mbola hahita fahavetavetana lehibe noho ireto koa ianao.
16 Dia nentiny ho eo amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran'ny tempolin'i Jehovah, dia teo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin'i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
17 Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany, ry zanak'olona? Moa ataon'ny taranak'i Joda ho kely loatra va ny nanaovany ny fahavetavetana izay ataony eto, no fenoiny fampahoriana koa ny tany, ka mampahatezitra Ahy lalandava izy; ary indro izy nanainga ny rantsan-kazo ho amin'ny orony. 18 Ary Izaho kosa dia hamely amin'ny fahatezerako; tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; ary na dia mitaraina mafy eo an-tsofiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago