Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-295 @365
Herinandro faha-43 @52 |

Ezekiela 48

1 Ary izao no anaran'ny firenena: Hatramin'ny farany avaratra any amoron-dranomasina amin'ny lalana mankany Hetlona any akaikin'i Hamata sy Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy eo avaratra, any anilan'i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana; anjara iray ho an'i Dana.
2 Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Dana hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an'i Asera. 3 Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Asera, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an'i Naftaly. 4 Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Naftaly, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Manase, 5 Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Manase, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Efraima. 6 Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Efraima, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an? i Robena. 7 Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Robena, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Joda.
8 Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisian'ilay tany hatokanareo, indimy arivo amby roa alin'ny volotara ny sakany, ary ny lavany mitovy amin'ny anjaran'ny sasany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masina no ho eo afovoany. 9 Ny tany izay hatokanareo ho an'i Jehovah, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany. 10 Ary ho an'ny mpisorona izany tany masina voatokana izany, dimy arivo amby roa alina ny lavany avaratra, ary iray alina ny sakany andrefana, ary iray alina ny sakany atsinanana, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany atsimo; ary ny fitoerana masin'i Jehovah no ho eo afovoany. 11 Ho an'ny mpisorona izay nohamasinina avy amin'ny taranak'i zadota izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandrenam ka tsy nivily tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely, tahaka ny nivilian'ny Levita, 12 eny, ho azy izany ho tany halaina amin'ilay efa voatokana, dia zavatra masina indrindra, mifanolotra amin'ny faritanin'ny Levita.
13 Ary ny Levita koa dia hahazo ny mifanolotra amin'ny fari-tanin'ny mpisorona, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, eny, samy dimy arivo amby roa alina ny lavany, sy iray alina ny sakany. 14 Ary tsy ho azony hamidy izany, na hatakalo, ary tsy hafindrany ny voaloham-bokatra amin'ny tany; fa masina ho an'i Jehovah izany.
15 Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin'ny sakany mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina, dia tsy masina, fa ho an'ny tanàna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny tanàna no ho ao afovoany. 16 Ary izao no ohany: Ny avaratra ho dinan-jato amby efatra arivo, ary ny atsimo ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny atsinanana ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny andrefana ho diman-jato amby efatra arivo. 17 Ary ny amin'ny tany fiandrasana momba ny tanàna, ny eo amin'ny avaratra dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin'ny atsinanana dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin'ny andrefana dia ho dimam-polo amby roan-jato. 18 Ary ny lavany sisa mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana dia iray alina atsinanana ary iray alina andrefana, ary hifanolotra amin'ny anjara masina voatokana izany; ary ny vokany hohanin'ny mpiasa ao an-tanàna. 19 Ary izay mpiasa ao an-tanàna avy amin'ny firenen'Isiraely rehetra no hiasa azy. 20 Ny tany voatokana rehetra dia dimy arivo amby roa alina sokera; ny ampahefatry ny anjara masina voatokana dia halainareo ho zara-tany momba ny tanàna.
21 Ary ho an'ny mpanjaka ny sisa an-daniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy ny zara-tany momba ny tanàna; mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina amin'ny anjara voatokana hatramin'ny fari-tany atsinanana, ary mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina hatramin'ny fari-tany andrefana, mifanolotra amin'ireo anjaran'ny sasany, ho an'ny mpanjaka izany; ary ny anjara masina voatokana sy ny trano fitoerana masina no ho eo aforoany. 22 Ary hatramin'ny zara-tanin'ny Levita sy ny zara-tany momba ny tanàna, sy ao ampovoan'ny an'ny mpanjaka, anelanelan'ny fari-tanin'i Jada sy Benjamina, dia ho an'ny mpanjaka izany.
23 Ary ny amin'ny firenena sisa, dia hatramin'ny lafiny atsinanana ka hatramin'ny andrefana, dia hisy anjara iray ho an'i Benjamina. 24 Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Benjamina, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Simeona. 25 Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Simeona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'Isakara. 26 Ary mifanolotra amin'ny faritanin'Isakara, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Zebolona. 27 Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Zebolona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Gada. 28 Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Gada, amin'ny lafiny atsimo, dia hatrany Tamara sy ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe. 29 Izany no tany hozarainareo amin'ny filokana ho an'ny firenen'Isiraely ho lovany, ary izany no ho anjarany ary, hoy Jehovah Tompo.
30 Ary izao no ohatry ny tanàna amin'ny lafiny avaratra: diman-jato amby efatra arivo. 31 Ary ny anaran'ny vavahady dia ho toy ny anaran'ny firenen'Isiraely: ny vavahady telo avaratra, dia vavahadin'i Robena ny iray vavahadin'i Joda ny iray, vavahadin'i Levy ny iray. 32 Ary amin'ny atsinanana dimanjato amby efatra arivo; ary ny vavahady telo, dia vavahadin'i Josefa ny iray, vavahadin'i Benjamina ny iray, ary vavahadin'i Dana ny iray. 33 Ary amin'ny atsimo diman-jato amby efatra arivo ohatra, ary ny vavahady telo, dia vavahadin'i Simeona ny iray, vavahadin'Isakara ny iray, vavahadin'i Zebolona ny iray. 34 Ary amin'ny andrefana dimanjato amby efatra arivo sy vavahady telo, dia vavahadin'i Gada ny iray, vavahadin'i Asera ny iray, vavahadin'i Naftaly ny iray. 35 Valo arivo amby iray alina ny manodidina. Ary ny anaran'ny tanàna hatramin'izay andro izay dia Jehovah no ao.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago