Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-293 @365
Herinandro faha-42 @52 |

Ezekiela 46

Ny amin'ny mpanjaka sy ny fanatitra hataony sy ny hataon'ny vahoaka, sy ny zavatra homeny ho an'ny zanany sy ny mpanompony, ary ny amin'ny fahandroana ny fanatitra naterin'ny vahoaka
1 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vavahadin'ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy. 2 Dia hiditra avy any ivelany amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan'ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany dia haterin'ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo amin'ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha tsy efa hariva ny andro. 3 Ary ny vahoaka koa hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah eo am-bavahady amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana. 4 Ary ny fanatitra dorana izay haterin'ny mpanjaka ho an'i Jehovah amin'ny andro Sabata dia zanak'ondry enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema koa. 5 Ary ny fanatitra hohanina fanampin'ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina fanampin'ireo zanak'ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo iray hina isan'efaha. 6 ary amin'ny andro voaloham-bolana dia vantotr'ombilahy iray tsy misy kilema sy zanak'ondry enina ary ondrilahy iray; samy tsy hisy kilema ireo. 7 Ary hanatitra fanatitra hohanina izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy koa; ary ny amin'ny zanak'ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia iray hina isan'efaha. 8 Ary raha miditra ny mpanjaka, dia amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady no hidirany ary amin'ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany. 9 Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahana, dia izay miditra amin'ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin'ny vavahady atsimo kosa; ary izay miditra amin'ny vavahady atsimo dia hivoaka amin'ny vavahady avaratra kosa: tsy hiverina amin'ilay vavahady nidirany izy, fa amin'izay tandrifiny ihany no hivoahany 10 Ary ny mpanjaka dia hiara-miditra amin'ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy. 11 Ary amin'ny andro firavoravoana sy ny fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina isam-bantotr'ombilahy iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin'ny zanak'ondry, dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia eran'ny hina isan-efaha. 12 Ary raha ny mpanjaka no manatitra fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho fanatitra sitrapo ho an'i Jehovah, dia hovohana ho azy ny vavahady manatrika ny atsinanana, dia hateriny ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany, tahaka izay àtaony amin'ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy, dia harindrina ny vavahady.
13 Ary zanak'ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan'andro ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy. 14 Ary hanatitra fanatitra hohanina ho fanampiny isa-maraina ianao, dia ampahenin'ny efaha sy diloilo ampahatelon'ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra hohanina ho an'i Jehovah izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany. 15 Ary toy izany no anatero ny zanak'ondry sy ny fanatitra hohanina ary ny diloilo isa-maraina ho fanatitra mandrakariva.
16 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an'ny anankiray amin'ny zanany ny mpanjaka, dia ho lovan'ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany. 17Fa raha manome zavatra avy amin'ny lovany ho an'ny anankiray amin'ny mpanompony kosa izy, dia ho azy mandra-pahatongan'ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin'ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an'ny zanany ihany. 18 Ary tsy haka amin'ny lovan'ny vahoaka hampiala azy amin'ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin'ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan'ny oloko hiala amin'ny zara-taniny.
19 Dia nentiny niditra tamin'ny fidirana eo anilan'ny vavahady aho ho ao amin'ireo efi-trano masin'ny mpisorona, izay manatrika ny avaratra; ary, indro, nisy fitoerana teo amin'ny faran'ny andrefana. 20 Dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana fahandroan'ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany azy mivoaka lò any amin'ny kianja ivelany hanamasina ny olona. 21 Dia nentiny nivoaka ho any amin'ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra amin'ny kianja; ary, indro, ao amin'ny isan-joron'ny kianja dia nisy kianja hafa koa. 22 Teny amin'ny zorony efatra amin'ny kianja dia nisy kianja nofefena, efa-polo hazizo avy ny lavany, ary telo-polo avy ny sakany; mitovy ohatra ireo an-jorony efatra ireo. 23 Ary nisy rafitra teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana ambanin'izany rafitra manodidina izany. 24 Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon'ny mpahandro, izay fahandroan'ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin'ny olona.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago