Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-277 @365
Herinandro faha-40 @52 |

Ezekiela 30

Ny andro hitsarana an'i Egypta
1 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 2 Ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro! 3 Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron'i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany. 4 Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany. 5 Etiopia sy Libya sy Lydia sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy. 6 Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an'i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan'ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo. 7 Ho rava dia ho rava izy, ary ny tanànany ho lao dia ho lao. 8 Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay rehetra manampy azy. 9 Amin'izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin'ny andro namelezana an'i Egypta izy; Fa, indro, avy izany. 10 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak'i Egypta. 11 Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin'ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an'i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany. 12 Hahatankina an'i Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan'ny fahavalo no ho entiko mandrava ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy; Izaho Jehovah no niteny izany. 13 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao Memfisa; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin'ny tany Egypta; 14 Handrava an'i Patrosa Aho sy hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an'i No; 15 Hampidina ny fahatezerako amin'i Sina, fiarovana mafy any Egypta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No. 16 Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa dia hasian'ny fahavalo antoandro. 17 Ny zatovon'i Avena sy Pi-beseta ho lavon-tsabatra, sady ho lasan-ko babo ny ao. 18 Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan'i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; Ho voasaron'ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy. 19 Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an'i Egypta; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Ny hahafoanan'i Nebokadnezara ny herin'Farao
20 Ary tamin'ny andro fahafito tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 21 Ry zanak'olona, ny sandrin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra. 22 Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho. 23 Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ka hahahako any amin'ny tany samy hafa. 24 Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, ka hataoko eny an-tànany ny sabatro; Fa hotorotoroiko ny sandrin'i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan'ny voatrabaka izy. 25 Eny, hampahatanjahiko ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin'i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany Egypta. 26 Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin'ny tany samy hafa; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago