Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-249 @365
Herinandro faha-36 @52 |

Ezekiela 2

Ny niantsoana an'i Ezekiela ho mpaminany
1 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, mitsangàna, fa hiteny aminao Aho. 2 Ary nisy fanahy tonga tao anatiko, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.
3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, maniraka anao ho amin'ny zanak'Isiraely Aho, eny, ho amin'ireo jentilisa mpiodina, izay efa niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa nanota tamiko avokoa mandraka androany. 4 Ary ho any amin'ny zanaka mafy handrina sy madi-po no anirahako anao, ary ianao hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo. 5 Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy. 6 Ary ianao, ry zanak'olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin'ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy. 7 Ary holazainao aminy ihany ny teniko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy. 8 Fa ianao kosa, ry zanak'olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao. 9 Ary hitako fa, indro, nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy teny aminy. 10 Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana sy fidradradradrana loza no voasoratra teo.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago