Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-260 @365
Herinandro faha-38 @52 |

Ezekiela 13

Ny amin'ireo mpaminany sandoka
1 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 2 Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany, ka lazao amin'izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo. 3 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpaminany adala, izay manaraka ny fanahiny sy ny zavatra tsy hitany. 4 Tahaka ny amboahaolo any an-tanàna haolo ny mpaminaninao, ry Isiraely. 5 Tsy niakatra ho eo amin'ny banga ianareo, sady tsy nanao manda hiarovana ny taranak'Isiraely mba hifaharany amin'ny ady amin'ny andron'i Jehovah. 6 Mahita zava-poana sy faminaniana lainga ireo izay manao hoe: Hoy Jehovah, nefa tsy nirahin'i Jehovah izy tsinona, hahazoany manantena ny hahatòvan'ny teny 7 Moa tsy fahitana tsy izy no hitanareo, ary faminaniana lainga no lazainareo, raha hoy ianareo: Jehovah no nilaza izany; kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona ?
8 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo. 9 Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan'ny mpanolo-tsainan'ny oloko na ho voasoratra amin'ny bokin'ny taranak'Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo. 10 Noho ny nampiviliany ny oloko tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin'ny feta tsy madity, 11 koa lazao amin'izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra. 12 Indro, raha mirodana ny ampiantany, tsy holazaina aminareo hoe va: Aiza ny lalotra izay nandaloranareo azy? 13 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin'ny fahatezerako Aho; ary hisy ranonorana mifafy amin'ny fahatezerako sy havandra vaventy amin'ny fahavinirako hahafongana azy. 14 Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin'ny feta tsy madity, ka ho fongotra hatramin'ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy, ka haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. 15 Dia hotanterahiko amin'ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ny fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay mpandalotra azy, 16 dia ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany ny amin'i Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah Tompo. 17 Koa ianao, ry zanak'olona, handrino mafy ny zanakavavin'ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy, 18 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin'ny famavanin'ny tanana rehetra, ary manao fisaronana antonona amin'ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin'ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo! 19 Ary manamavo Ahy ao amin'ny oloko ianareo noho ny vary hordea eran-tànan-ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny fanahy izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny fanahy izay tsy tokony hovelomina, amin'ny andainganareo amin'ny oloko izay mihaino ny lainganareo. 20 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hosimbako ny fononareo, izay entinareo hihaza ny fanahy any, mba hahafahan'ireny hanidina, eny, hotriariko hiala amin'ny sandrinareo izy, ka halefako hanidina ny fanahy izay nohazainareo. 21 Hotriariko koa ny fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon'ny tananareo ho haza intsony izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. 22 Satria lainga no entinareo mampalahelo ny fon'ny marina, izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan'ny ratsy fanahy, tsy hialany amin'ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy, 23 dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago