Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-334 @365
Herinandro faha-48 @52 |

Estera 8

Ny nanandratana an'i Mordekay, sy ny nahazoan'i Estera teny avy amin'ny mpanjaka ka hamela ny Jiosy hiaro tena
1 Tamin'izany andro izany dia nomen'i Ahasoerosy mpanjaka ho an'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ny tranon'i Hamana, fahavalon'ny Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehan'ny mpanjaka, fa efa voalazan'i Estera fa rainy izy 2 Ary nesorin'ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin'i Hamana, ka nomeny an'i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren'i Estera hanapaka ny tranon'i Hamana. 3 Dia niteny teo anatrehan'ny mpanjaka indray Estera sady niankohoka tamin'ny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon'i Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy. 4 Ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona teo anatrehan'ny mpanjaka 5 ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon'ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ireny izay nosoratany hampandringana ny Jiosy amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka; 6 fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako? 7 Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka sy tamin'i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon'i Hamana efa nomeko an'i Estera, ary izy dia efa nahantona tamin'ny hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny Jiosy; 8 ary ianareo kosa dia manorata amin'ny anaran'ny mpanjaka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka tombohy amin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny soratra izay efa voasoratra tamin'ny anaran'ny mpanjaka sy efa voatomboka tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka 9 Dia nantsoina tamin'izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahatelo (volana Sivana izany); ary nosoratana araka izay rehetra nandidian'i Mordekay izany ho any amin'ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy ny governora ary ny mpanapaka amin'ny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny. 10 Ary nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy; 11 ka ny Jiosy izay teny amin'ny isan-tanàna dia navelan'ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin'ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin'ny vady aman-janak'ireny ary handroba ny fananany 12 amin'ny andro iray ihany any amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, dia amin'ny andro fahatelo ambin'ny folo amin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany). 13 Ny kopen'ny teny natao didy ho amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana dia nantsoina tamin'ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin'izany andro izany hamaliany ny fahavalony. 14 Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka nohafainganina sy nododonan'ny tenin'ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. 15 Ary tamin'ny nialan'i Mordekay teo anatrehan'ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana. 16 Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra. 17 Ary teo amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan'ny didin'ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago