Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-52 @365
Herinandro faha-8 @52 |

Eksodosy 34

Ny nanavaozan'Andriamanitra ny fanekena
1 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin'ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao; 2 ary aoka hivonona ianao mandra-pahamaraina; dia miakara raha maraina ho ao amin'ny tendrombohitra Sinay, ka mitsangana eo anatrehako ao an-tampon'ny tendrombohitra. 3 Ary aoka tsy hisy olona hiakatra afa-tsy ianao, ary aoka tsy hisy olona ho hita eny amin'ny tendrombohitra Sinay rehetra; ary ny ondry aman'osy koa sy ny omby dia aoka tsy hisy handrasana eny akaikin'izany tendrombohitra izany 4 Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa. 5 Ary Jehovah nidina tao anatin'ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran'i Jehovah. 6 Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana, 7 mitahiry famindram-po ho an'ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka sy ny zafy hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika. 8 Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin'ny tany ka niankohoka; 9 dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay. 10 Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan'ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin'ny tany rehetra sy tany amin'ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan'i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin'ny fiombako anao. 11 Tandremo izay andidiako anao anio; indro, efa horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. 12 Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany izay halehanao ianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany. 13 Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany. 14 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy, 15 fandrao ianao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana amin'ny fanatiny; 16 ary andrao koa haka amin'ny zananivavy ho vadin'ny zanakao-lahy ianao, ary hijangajanga hanaraka ny andriamaniny ny zananivavy ka hampandeha ny zanakao-lahy hijangajanga hanaraka ny andriamaniny. 17 Aza manao andriamanitra anidina ho anao. 18 Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta. 19 Izay voalohan-teraka rehetra no Ahy, dia ny lahy amin'ny voalohan-teraky ny bibinao, na omby na ondry aman'osy; 20 fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak'ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako. 21 Henemana no hiasanao, fa amin'ny andro fahafito dia hitsahatra ianao: na dia amin'ny taom-pamafazana sy amin'ny taom-pijinjana aza dia hitsahatra ihany ianao. 22 Ary tandremo ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro amin'ny fanaterana ny voaloham-bokatra, raha mijinja ny vary tritika, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny fitsingerenan'ny taona. 23 Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny Isiraely. 24 Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao. 25 Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin'ny andro firavoravoana amin'ny Paska. 26 Ny santatra amin'ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny. 27 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin'ny Isiraely. 28 Dia teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo.
29 Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin'izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy. 30 Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy. 31 Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan'ny fiangonana rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy. 32 Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak'Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain'i Jehovah taminy tao amin'ny tendrombohitra Sinay. 33 Ary rehefa vita ny teny nataon'i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany. 34 Ary raha niditra teo anatrehan'i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely izay efa nandidiana azy. 35 Ary hitan'ny Zanak'Isiraely ny tavan'i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron'i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago