Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-280 @365
Herinandro faha-40 @52 |

Efesiana 6

1 Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany. 2 Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), 3 mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16). 4 Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.
5 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany, 6 tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo, 7 amin'ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona, 8 satria fantatrareo fa izay soa ataon'ny olona rehetra no horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy. 9 Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan'olona aminy.
Ny adim-panahin'ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr'Andriamanitra azy
10 Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany. 11 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. 12 Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra. 13 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo. 14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, 15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; 16 ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy. 17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; 18 ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, 19 ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara 20 (iraka migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. 21 Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin'ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra; 22 izy no nirahiko hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray, ary mba hamporisihiny ny fonareo. 23 Fiadanana anie ho an'ny rahalahy ary fitiavana mbamin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. 24 Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona. Amena.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago