Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-96 @365
Herinandro faha-14 @52 |

Efesiana 3

Ny nanendrena an'i Paoly ho Apostolin'ny jentilisa, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony ho an'ny fiangonana tao Efesosy
1 Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, - 2 raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo, 3 fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo. 4 Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin'i Kristy, 5izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran'ny Fanahy ankehitriny amin'ny Apostoly masina sy ny mpaminany, 6 dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara, 7 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan'ny heriny. 8 Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany, 9 ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra; 10 mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana, 11 araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, 12 Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy. 13 Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany. 14 Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray 15 Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana, 16 mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo; 17 mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo, 18 mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany. 19 ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. 20 Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, 21 ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago