Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-114 @365
Herinandro faha-17 @52 |

Deoteronomia 9

Anatra ny amin'ny tsi-fanamarinan-tena
1 MIHAINOA, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an'i Jordana hiditra eo amin'ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra, 2 dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan'ny taranak'i Anàka? 3 Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain'i Jehovah taminao. 4 Ary rehefa voaroak'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran'i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no androahan'i Jehovah azy eo anoloanao. 5 Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao. 6 Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan'i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao. 7 Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an'i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin'ny andro nialanao tany amin'ny tany Egypta ka hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity tany ity dia mbola niodina tamin'i Jehovah ihany ianareo. 8 Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an'i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo. 9 Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon'i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano, 10 dia nomen'i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron'Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny andro nivoriana. 11 Ary nony tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo alina, dia nomen'i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena. 12 Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midina faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin'ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy. 13 Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy. 14 Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin'ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy ianao. 15 Dia nihodina aho ka nidina niala tamin'ny tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary ny vato fisaka roa nisy ny fanekena dia teny an-tanako roa. 16 Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin'ny lalana izay efa nasain'i Jehovah nalehanareo. 17 Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo imasonareo. 18 Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin'ny nanaovanareo izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy. 19 Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, izay nahatezeran'i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehovah tamin'izany andro izany. 20 Ary Jehovah dia tezitra indrindra tamin'i Arona ka saiky nandevona azy; dia nifona ho an'i Arona koa aho tamin'izany andro izany. 21 Ary noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo, ka nodorako tamin'ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin'ny renirano izay midina avy amin'ny tendrombohitra. 22 Ary tao Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava no nampahatezeranareo an'i Jehovah. 23 Ary raha nampandehanin'i Jehovah niala tao Kadesi-barnea ianareo ka nataony hoe: Miakara, ka lovao ny tany izay nomeko anareo, dia nandà ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, fa tsy nihaino Azy, na nino ny feony. 24 Eny, niodina tamin'i Jehovah ihany ianareo hatramin'ny andro nahalalako anareo no ho mankaty. 25 Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain'i Jehovah fa handringana anareo Izy. 26 Dia nifona tamin'i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin'ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny tananao mahery. 27 Tsarovy ny mpanomponao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba; fa aza mijery ny ditran'ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny, na ny fahotany, 28 fandrao izay monina amin'ny tany nitondranao anay nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy hain'i Jehovah ny hitondra azy ho any amin'ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy, dia izany no nitondrany azy nivoaka hahafaty azy atỳ an-efitra. 29 Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago