Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-110 @365
Herinandro faha-16 @52 |

Deoteronomia 3

1 Dia niverina isika ka niakatra tamin'ny lalana mankany Basana; ary nivoaka hiady amintsika tao Edrehy Oga, mpanjakan'i Basana, mbamin'ny vahoakany rehetra. 2 Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin'ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tao Hesbona. 3 Dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika koa Oga, mpanjakan'i Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia nandresy azy isika mandra-paha-tsi-hisy niangana na dia iray akory aza. 4 Dia afatsika ny tanànany rehetra tamin'izany andro izany, tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enim-polo, dia ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan'i Oga tany Basana. 5 Ireo tanàna rehetra ireo dia samy nasiana manda avo sy vavahady ary hidy hahamafy azy, afa-tsy ny vohitra madinika maro dia maro. 6 Dia naringantsika ireny tahaka izay efa nataontsika tamin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona; naringana ny mponina rehetra tamin'ny isan-tanàna mbamin'ny zaza amim-behivavy. 7 Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin'ireo tanàna ireo dia nataontsika babo ho antsika. 8 Ary nalaintsika tamin'izany andro izany tamin'ny mpanjaka roan'ny Amorita ny tany izay any an-dafin'i Jordana, hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona 9 Hermona nataon'ny Sidoniana hoe Siriona; ary ny Amorita kosa nanao azy hoe Senira, 10 dia ny tanàna rehetra amin'ny tany lemaka sy Gileada rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka sy Edrehy, dia ny tanàna amin'ny fanjakan'i Oga tany Basana. 11 Fa Oga, mpanjakan'i Basana, ihany no sisa velona tamin'ny Refalta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban'ny taranak'i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon'ny lehilahy. 12 Ary io tany io dia azontsika tamin'izany andro izany; hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, sy ny antsasaky ny tany havoan'i Gileada ary ny tanàna eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita. 13 ry Gileada sisa sy Basana rehetra, izay fanjakan'i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny firenen'i Manase, dia ny tany Argoba rehetra, dia Basana rehetra (atao hoe tanin'ny Refaita izany. 14 Jaïra, zanak'i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran'izany (dia Basana) nataony hoe Havota-jaira, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka androany). 15 Ary Gileada dia nomeko an'i Makira. 16 Ary ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha, sy ny fari-tany hatramin'ny amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, izay fari-tanin'ny taranak'i Amona, 17 ary ny tani-hay koa sy Jordana ary ny fari-tany hatrany Kireneta ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bodin'i Pisga, dia ao atsinanany. 18 Ary nandidy anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo ianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady. 19 Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny ombinareo (fantatro fa be omby ianareo) dia hitoetra ao an-tanànanareo izay nomeko anareo, 20 mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny anareo, ka holovany koa ny tany izay nomen'i Jehovah Andriamanitrareo azy any an-dafin'i Jordana; dia hiverina ianareo, samy ho any amin'ny taniny avy, izay nomeko anareo.
Ny amin'ny tsy hidiran'i Mosesy ao Kanana, sy ny nanendrena an'i Josoa handimby azy
21 Dia nandidy an'i Josoa aho tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon'i Jehovah amin'ny fanjakana rehetra izay halehanao. 22 Aza matahotra azy ianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo.
23 Dia nitaraina tamin'i Jehovah tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: 24 Jehovah Tompo ô, Hianao vao naneho tamin'ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao? 25 Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin'i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy Libanona. 26 Fa tezitra tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny amin'izany zavatra izany ianao. 27 Miakara eo an-tampon'i Pisga ianao, ary atopazy ny masonao miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana, ary aoka hijery ny masonao; fa tsy hita izany Jordana izany ianao; 28 fa mandidia an'i Josoa ianao, dia mampahereza azy sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha hita eo alohan'ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ny tany izay ho hitanao. 29 Ka dia nitoetra tany an-dohasaha tandrifin'i Beti-peora isika.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago