Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-121 @365
Herinandro faha-18 @52 |

Deotoronomia 18

Ny amin'ny ho anjaran'ny mpisorona sy ny Levita
1 Ny Levita mpisorona, dia ny firenen'i Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova eo amin'ny Isiraely; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah sy ny anjaran'i Jehovah no ho fihinany. 2 Fa tsy hanan-dova eo amin'ny rahalahiny izy; Jehovah no lovany, araka izay nolazainy taminy. 3 Ary izao no ho anjaran'ny mpisorona avy amin'ny olona, dia avy amin'izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: dia homeny ho an'ny mpisorona ny sorony sy ny takolany roa ary ny vavoniny; 4 ary ny voaloham-bokatry ny varinao koa sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan'ny volon'ondrinao no homenao azy. 5 Fa izy sy ny taranany no nofidin'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny firenenao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana mandrakizay amin'ny anaran'i Jehovah. 6 Ary raha misy Levita miala amin'ny tanànanao anankiray, izay nivahiniany, amin'ny Isiraely rehetra, ka mandeha araka ny fanirian'ny fony ho any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah, 7 ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, tahaka ny Levita rahalahiny rehetra, izay mitsangana eo anatrehan'i Jehovah, 8 dia anjara mitovy amin'ny an'ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay vidin'ny azony tamin-drainy.
Ny amin'ny mpaminany
9 REHEFA tonga any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon'ireo firenena ireo. 10 Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, 11 na manao ho masim-bava, na mpanadina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin'ny maty. 12 Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao. 13 Aoka ho tanteraka amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao. 14 Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa ianao kosa tsy navelan'i Jehovah Andriamanitrao hanao izany. 15 Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin'ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan'i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo; 16 araka izay rehetra nangatahinao tamin'i Jehovah Andriamanitrao tao Horeba tamin'ny andro nivoriana hoe: Aoka tsy hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitro intsony aho, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty. 17 Dia hoy Jehovah tamiko: Tsara ny teny izay nolazainy. 18 Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin'ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy. 19 Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin'ny anarako, dia Izaho no hitsara azy. 20 Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin'ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin'ny anaran'andriamani-kafa, dia hatao maty. 21 Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain'i Jehovah? 22 Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago