Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-115 @365
Herinandro faha-17 @52 |

Deoteronomia 11

1 Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao, ka tandremo mandrakariva Izay asainy hotandremana, dia ny lalàny sy ny fitsipiny ary ny didiny. 2 Ary aoka ho fantatrao anio, fa izaho tsy miteny amin'ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fahalehibiazany sy ny tànany mahery sy ny sandriny nahinjitra 3 sy ny famantarany sy ny asany, izay nataony tany Egypta tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, sy ny taniny rehetra, 4 sy izay nataony tamin'ny miaramilan'ny Egyptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin'ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo Izy, dia voaringan'i Jehovah mandraka androany, 5 ary izay nataony taminareo tany an-efitra, hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity tany ity, 6 ary izay nataony tamin'i Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba, zanak'i Robena, teo amin'ny Isiraely rehetra, dia izay nisokafan'ny tany sy nitelemany azy mbamin'ny ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan'aina izay nomba azy; 7 fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon'i Jehovah. 8 Koa tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery ianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana; 9 ary, mba ho maro andro ianareo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely. 10 Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman'ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen'anana. 11 Fa ny tany izay efa halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin'ny ranonoran-danitra, 12 dia tany izay tandreman'i Jehovah Andriamanitrao; ny mason'i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin'ny fiandohan'ny taona ka hatramin'ny fiafarany. 13 Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra, 14 dia halatsako eo amin'ny taninareo ny ranonorana amin'ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao; 15 ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an'ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky.
16 Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo; 17 ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah anareo. 18 Koa alatsaho ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinareo; 19 ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha; 20 ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao izy; 21 mba ho maro ny andronareo sy ny andron'ny taranakareo eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy, toy ny faharetan'ny lanitra ambonin'ny tany. 22 Fa raha hitandrina tsara izao lalàna rehetra izao izay andidiako anareo ianareo ka manaraka azy ary ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo sy handeha eo amin'ny lalany rehetra sy hifikitra aminy, 23 dia horoahin'i Jehovah eo anoloanareo ireo firenena rehetra ireo, ary ianareo haharesy firenena maro, izay lehibe sy mahery noho ianareo. 24 Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladian'ny tongotrareo dia ho anareo: hatramin'ny efitra sy Libanona ary hatramin'ny ony Eofrata ka hatramin'ny ranomasina andrefana no ho fari-taninareo. 25 Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho azon'ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo. 26 Indro, Izaho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio: 27 fitahiana, raha hohenoinareo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio; 28 ary ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin'ny lalana izay andidiako anareo anio mba haleha ianareo ka hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo. 29 Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin'ny tany izay alehanao holovana, dia ny fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizinia, ary ny fanozonana kosa eo an-tendrombohitra Ebala. 30 Tsy any an-dafin'i Jordana va izy roa, any ankoatry ny lalana andrefana, amin'ny tanin'ny Kananita, izay monina eo amin'ny tani-hay tandrifin'i Gilgaly, eo anilan'ny hazo terebintan'i More? 31 Fa ianareo efa handeha hita an'i Jordana ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo, ary handova azy ianareo ka honina eo; 32 koa tandremo mba harahinareo ny didy rehetra sy ny fitsipika izay ataoko eo anoloanareo anio.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago