Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-301 @365
Herinandro faha-43 @52 |

Daniela 6

1 Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.
Ny amin'ny nanipazana an'i Daniela tao an-davaky ny liona
2 Sitrak'i Dariosa ny hanendry solo-mpanjaka roa-polo amby zato hanapaka ny fanjakana, izay hanapaka ny fanjakana rehetra. 3 Koa tamin'ireo dia nisy komandy lehibe telo lahy, ary Daniela no anankiray tamin'ireo, mba hilazan'ny solo-mpanjaka ny raharaha tsy hahafatiantoka ny mpanjaka.
4 Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin'ny fanjakana rehetra. 5 Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an'i Daniela ny amin'ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy. 6 Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin'ny lalan'Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy. 7 Dia somaritaka nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka ireo; ary izao no nataony taminy: Ry Dariosa mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao. 8 Ny komandy lehibe rehetra amin'ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin'ny telo-polo andro, na amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy. 9 Ankehitriny, ry mpanjaka ô, ataovy mafy ny lalàna, ka asio sonia mba tsy hiova, araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
10 Ary noho izany dia nasian'i Dariosa mpanjaka sonia izany lalàna sy didy izany. 11 Nony fantatr'i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin'ny tranony ambony nanandrify an'i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan'andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan'Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin'ny taloha izany. 12 Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo ka nahita an'i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan'Andriamaniny. 13 Dia nanatona izy ka niteny teo anatrehan'ny mpanjaka noho ny amin'ilay lalàn'ny mpanjaka ka nanao hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia fa na zovy na zovy no hanao fangatahana, na amin'Andriamanitra na amin'olona, ato anatin'ny telo-polo andro afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Marina izany, dia araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana. 14 Dia niteny ireo ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Ilay Daniela, isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan'andro izy. 15 Dia tezitra indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka an'i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro. 16 Dia somaritaka nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalàn'ny Mediana sy ny Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay efa navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
17 Dia nandidy ny mpanjaka; ary nentina Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao. 18 Ary nisy vato natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny fanombohan-kaseny sy tamin'ny fanombohan-kasen'ny andriandahiny, mba tsy hovana ny teny ny amin'i Daniela. 19 Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy. 20 Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin'ny lavaky ny liona. 21 Ary nony tonga teo amin'ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo; eny, niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Ry Daniela, mpanompon'Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin'ny liona va? 22 Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao. 23 Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho. 24 Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an'Andriamaniny. 25 Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga an'i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin'ny vodin'ny lavaka akory aza izy. 26 Tamin'izany Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin'ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny fiadananareo. 27 Manao lalàna aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela eran'ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin'ny farany.
28 Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy etỳ an-tany, ary Izy no namonjy an'i Daniela ho afaka tamin'ny herin'ny liona. Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin'ny nanjakan'i Dariosa sy tamin'ny nanjakan'i Kyrosy Persiana.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago