Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
Andro faha-305 @365
Herinandro faha-44 @52 |

Daniela 10

Toky ho an'ny olon'Andriamanitra fa tsy ho resin'ny fahavalony izy
1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia nisy nambara tamin'i Daniela, izay atao hoe Beltesazara; marina ny teny, ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala ny teny izy sady nahafantatra ny fahitana. 2 Tamin'izany andro izany izaho Daniela dia nisaona roatokom-bolana mipaka. 3 Tsy nihinana hanim-py aho, sady tsy nanendry hena na divay ny vavako, ary tsy nihosotra diloilo akory aho ambara-pahatapitry ny roatokom-bolana mipaka.
4 Ary tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana voalohany, raha teo amoron'ny ony lehibe aho (Hidekela izany), 5 dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany; 6 tahaka ny krysolita ny tenany. ary tahaka ny helatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, ary mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny feony toy ny feon'olona maro be; 7 ary izaho Daniela ihany no nahita ny fahitana; fa ny olona izay teo amiko kosa tsy mba nahita izany, fa toran-kovitra indrindra izy ka nandositra niery. 8 Ary dia nilaozana ho irery aho ary nahita izany fahitana lehibe izany, dia tsy nisy hery tafajanona tato amiko; fa nihasimba nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko. 9 Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka tamin'ny tany. 10 Ary, indro, nisy tanana nanohina ka nanarina ahy handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola nangozohozo ihany. 11 Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho. 12 Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin'ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan'Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho. 13 Fa ilay andrianan'ny fanjakan'i Persia nanohitra ahy iraika amby roa-polo andro; fa indro kosa Mikaela, anankiray amin'ireo andriana lehibe, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho ihany no sisa nijanona teo amin'ny mpanjakan'i Persia. 14 Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin'izany andro izany ny fahitana. 15 Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin'ny tany aho sady tsy nahateny. 16 Ary, indro, nisy anankiray miendri-janak'olombelona nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka niteny nanao tamin'ilay nitsangana teo anatrehako hoe: Tompoko, azon'ny fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony. 17 Fa aiza no ahazoan'ity izaho mpanompon'ny tompoko ity hiteny aminao tompoko? Ary tamin'izay dia tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, na nisy aina sisa tato amiko. 18 Ary nisy indray nanana endrik'olona nanendry ahy koa, dia nampahery ahy 19 ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy. 20 Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny nihaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin'ny andrianan'i Persia aho, ary rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny andrianan'i Grisia. 21 Fa hambarako aminao izay voasoratra ao amin'ny soratra marina; nefa tsy misy miara-misikina amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela andriananareo.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago