Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-118 @365
Herinandro faha-17 @52 |

Asan'ny Apostoly 5

Ny amin'i Ananiasy sy Safira
1 Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany, 2 ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly. 3 Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany? 4 Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra. 5 Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany. 6 Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny. 7 Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo. 8 Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany. 9 Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy. 10 Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan'ny lahy. 11 Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
Ny fahagagana nataon'ny Apostoly sy ny nandrosoan'ny fiangonana
12 Ary ny tanan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin'ny Fialofan'i Solomona; 13 ary tsy nisy tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka. 14 Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany; 15 ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon'ny tandindon'i Petera ahay, raha mandalo izy. 16 Ary ny olona maro avy tamin'ny vohitra manodidina an'i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.
Ny namatorana ny Apostoly rehetra, sy ny nitondrana azy teo anatrehan'ny Synedriona
17 Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin'ny namany rehetra (izay antokon'ny Sadoseo), fa feno fialonana izy, 18 dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina. 19 Fa nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe: 20 Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin'ny vahoaka eo an-kianjan'ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany. 21 Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin'ny Zanak'isiraely izy ka naniraka nankao amin'ny tranomaizina haka ny Apostoly. 22 Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka nilaza hoe: 23 Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay. 24 Ary ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin'izay ho faran'izany. 25 Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan'ny tempoly ka mampianatra ny olona. 26 Dia lasa ny lehiben'ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato. 27 Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan'ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy 28 ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin'izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy izany. 29 Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona. 30 Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an'i Jesosy, Izay novonoin'ny tananareo nahantonareo teo amin'ny hazo. 31 Izy nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely. 32 Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy. 33 Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy. 34 Dia nitsangana teo amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo. 35 Dia hoy izy tamin'ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo olona ireo. 36 Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona. 37 Ary nanarakaraka azy indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy. 38 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin'ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin'olona izao saina na asa izao, dia ho foana; 39 fa raha avy amin'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra ianareo. 40 Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha. 41 Ary ireo dia niala teo anatrehan'ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr'izany anarana izany. 42 Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago