Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-117 @365
Herinandro faha-17 @52 |

Asan'ny Apostoly 3

Ny nahasitranan'i Petera ilay lehilahy nalemy tongotra, sy ny tori-teny nataony tamin'ny olona
1 Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy fotoam-pivavahana. 2 Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly; 3 nony nahita an'i Petera sy Jaona efa niditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana. 4 Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay. 5 Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy. 6 Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna. 7 Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny. 8 Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra. 9 Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra. 10 Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy. 11 Ary raha nihazona an'i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin'izy telo lahy teo amin'ny fialofana izay atao hoe Fialofan'i Solomona, ka talanjona. 12 Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha? 13 Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesosy Mpanompony, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa. 14 Fa ianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo; 15 fa ny Tompon'ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay. 16 Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao. 17 Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa. 18 Fa izany no nahatanterahan'Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan'ny Kristiny. 19 Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, 20 ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, 21 Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra. 22 Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo. 23 Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny olona (Deo. 18. 15, 19). 24 Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin'i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao. 25 Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo, raha hoy Izy tamin'i Abrahama: Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany (Gen. 22. 18). 26 Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago