Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-314 @365
Herinandro faha-45 @52 |

Asan'ny Apostoly 25

Ny hevitra nataon'ny Jiosy hahafaty an'i Paoly, sy ny nangatahan'i Paoly hatsarain'i Kaisara
1 Ary Festosy, nony tonga teo amin'ny zara-fanapahany, dia niala tany Kaisaria hiakatra any Jerosalema, rehefa afaka hateloana. 2 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny olona manan-kaja tamin'ny Jiosy nanambara taminy izay niampangany an'i Paoly sady niangavy taminy 3 ka nangataka azy hohelohina, mba hampanalainy hankany Jerosalema; fa nikasa hanotrika eny amoron-dalana izy hamonoany azy. 4 Ary Festosy namaly fa Paoly dia ambenana any Kaisaria, sady izy koa efa hankany faingana. 5 Koa izay manam-pahefana eo aminareo, hoy izy, no aoka hiara-midina amiko ka hiampanga an-dralehilahy, raha manan-keloka izy. 6 Ary rehefa nitoetra teo aminy tsy mihoatra noho ny havaloana na hafoloana izy, dia nidina nankany Kaisaria; ary nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ka nasainy halaina Paoly. 7 Ary nony tonga izy, dia nitsangana manodidina azy ny Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema, ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy; 8 fa Paoly nandaha-teny hanala tsiny ny tenany hoe: Tsy nanao ratsy aho, na tamin'ny lalàn'ny Jiosy, na tamin'ny tempoly, na tamin'i Kaisara. 9 Nefa Festosy ta-hahazo sitraka tamin'ny Jiosy, dia namaly an'i Paoly ka nanao hoe: Tianao va hiakatra any Jerosalema hotsaraina eo anatrehako any ny amin'izany zavatra izany? 10 Fa hoy Paoly: Eto amin'ny fitsaran'i Kaisara, izay tokony hitsarana ahy, no itsanganako. Tsy nanisy ratsy ny Jiosy akory aho, ary na ianao aza dia mahafantatra izany marina. 11 Koa raha mpanao ratsy aho, na nanao izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà tsy ho faty aho; fa raha tsy marina kosa izay zavatra iampangan'ireo ahy, dia tsy misy olona mahazo manolotra ahy ho amin'ny sitrapony. Handahatra eo anatrehan'i Kaisara aho. 12 Ary rehefa niresaka tamin'ny mpanolo-tsaina Festosy, dia namaly hoe: Efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara ianao, ka dia ho any amin'i Kaisara ihany ianao.
Ny nandaharan'i Paoly teny teo anatrehan'i Agripa sy Berenika
13 Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kaisaria Agripa mpanjaka sy Berenika hiarahaba an'i Festosy. 14 Ary rehefa nitoetra teo andro maro izy, dia nambaran'i Festosy tamin'ny mpanjaka ny amin'i Paoly, ka hoy izy: Misy mpifatotra anankiray ato navelan'i Feliksa, 15 koa tamin'izaho tany Jerosalema ny mpisorona sy ny loholon'ny Jiosy niampanga azy ka nangataka izay hanamelohana azy. 16 Fa namaly azy kosa aho hoe: Tsy fanaon'ny Romana ny manolotra olona, raha tsy mbola mifanatrika ny ampangaina sy ny mpiampanga, ka mahazo mandahatra hanala tsiny ny tenany ny amin'izay niampangan'ireo azy izy. 17 Ary raha tonga tatỳ izy, dia tsy mba nijanonjanona aho, fa nony ampitso dia nipetraka teo amin'ny fitsarana, ka nasaiko nalaina ralehilahy. 18 Rehefa nitsangana ireo mpiampanga ireo, dia tsy mba niampanga azy araka izay zavatra ratsy nampoiziko izy tsy akory, 19 fa nanana ady hevitra taminy ny amin'ny fivavahany sy ny amin'izay Jesosy anankiray efa maty, nefa nolazain'i Paoly ho velona. 20 Ary satria variana ny hevitro ny amin'ny hitsarana izany zavatra izany, dia nanontany aho na tian-dralehilahy ny hankany Jerosalema hotsaraina any ny amin'izany zavatra izany, na tsia, 21 Ary rehefa nangataka hambenana hotsarain'ny mpanjaka Paoly, dia nasaiko nambenana mandra-pandefako azy ho any amin'i Kaisara. 22 Dia hoy Agripa tamin'i Festosy: Izaho koa mba ta-handre izay lehilahy izay. Ary hoy izy: Rahampitso ary dia handre azy ihany ianao. 23 Ary nony ampitso, dia tonga Agripa sy Berenika niseho tamin'ny voninahitry ny fiandrianany ka niditra teo amin'ny trano fihaonana niaraka tamin'ny mpifehy arivo sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nentina nankeo Paoly araka ny didin'i Festosy. 24 Ary hoy Festosy: Ry Agripa mpanjaka sy izay rehetra eto amintsika, hitanareo io lehilahy io, izay notarainan'ny Jiosy rehetra tamiko, na tany Jerosalema na teto koa, ka nataony antso avo hoe: Tsy tokony hovelomina intsony ilehio. 25 Nefa nony hitako fa tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty azy, saingy izy ihany no ta-handahatra amin'ny mpanjaka, dia nanaiky hampanatitra azy aho. 26 Ny amin'io lehilahy io tsy hitako izay teny marina hosoratako amin'ny tompoko, koa dia nentiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka, mba hadinina izy, ka dia ho hitako izay hosoratako. 27 Fa ataoko fa tsy mety ny mampanatitra mpifatotra, nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago