Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-126 @365
Herinandro faha-18 @52 |

Asan'ny Apostoly 16

1 Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty - zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy - 2 ary tsara laza teo amin'ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy. 3 Koa tian'i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentilisa rainy. 4 Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman'ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema. 5 Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan'andro.
Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Paoly hankany Makedonia, sy ny nataon'i Paoly tao Filipy
6 Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia 7 ka efa tonga tany an-tsisin'i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan'ny Fanahin'i Jesosy. 8 Ary rehefa nandalo an'i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy. 9 Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin'i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay! 10 Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin'izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin'ny olona any. 11 Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia. 12 Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay. 13 Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo. 14 Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin'Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain'i Paoly. 15 Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
16 Ary raha nandeha ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan'ny tompony harena be. 17 Izy nanaraka an'i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena. 18 Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy. 19 Ary nony hitan'ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an'i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin'ny lehibe; 20 ary rehefa nentiny tany amin'ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra 21 ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika. 22 Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin'ny hazo izy. 23 Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina. 24 Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin'ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin'ny boloky hazo. 25 Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra. 26 Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra. 27 Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra. 28 Fa Paoly niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra. 29 Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan'i Paoly sy Silasy. 30 Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? 31 Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. 32 Ary izy roa lahy nitory ny tenin'ny Tompo taminy sy tamin'izay rehetra tao an-tranony. 33 Ary nandray azy roa lahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra. 34 Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an'Andriamanitra. 35 Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo. 36 Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin'i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara. 37 Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin'ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay. 38 Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin'ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa Romana izy roa lahy. 39 Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna. 40 Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago