Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-175 @365
Herinandro faha-25 @52 |

Apokalypsy 8

Ny namahana ny tombo-kase fahafito, sy ny nitsofana ny trompetra efatra
1 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra. 2 Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo. 3 Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin'ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana. 4 Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra. 5 Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny alitara ka nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.
6 Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
7 Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin'ny tany irany; ary may ny ampahatelon'ny tany, ary may ny ampahatelon'ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra. 8 Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon'ny ranomasina; 9 ary maty ny ampahatelon'ny zava-manan'aina tao an dranomasina; ary rava ny ampahatelon'ny sambo. 10 Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ny latsaka tamin'ny ampahatelon'ny ony sy tamin'ny loharano izany; 11 ary ny anaran'ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon'ny rano; ary maro ny olona no matin'ny rano, satria efa nangidy izany.
12 Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon'ny andro, mba ho toy izany koa ny alina.
13 Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago