Baiboly
  • Fiadanana ho anao
  • Mofonaina
  • Hamaky manontolo ny Baiboly
    • Herinandro 01
    • Herinandro 02
    • Herinandro 03
    • Herinandro 04
    • Herinandro 05
    • Herinandro 06
    • Herinandro 07
    • Herinandro 08
    • Herinandro 09
    • Herinandro 10
    • Herinandro 11
    • Herinandro 12
    • Herinandro 13
    • Herinandro 14
    • Herinandro 15
    • Herinandro 16
    • Herinandro 17
    • Herinandro 18
    • Herinandro 19
    • Herinandro 20
    • Herinandro 21
    • Herinandro 22
    • Herinandro 23
    • Herinandro 24
    • Herinandro 25
    • Herinandro 26
    • Herinandro 27
    • Herinandro 28
    • Herinandro 29
    • Herinandro 30
    • Herinandro 31
    • Herinandro 32
    • Herinandro 33
    • Herinandro 34
    • Herinandro 35
    • Herinandro 36
    • Herinandro 37
    • Herinandro 38
    • Herinandro 39
    • Herinandro 40
    • Herinandro 41
    • Herinandro 42
    • Herinandro 43
    • Herinandro 44
    • Herinandro 45
    • Herinandro 46
    • Herinandro 47
    • Herinandro 48
    • Herinandro 49
    • Herinandro 50
    • Herinandro 51
    • Herinandro 52
| Andro faha-181 @365
Herinandro faha-26 @52 |

Apokalypsy 20

Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona
1 Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; 2 dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, 3 dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. 4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. 5 Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. 6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. 7 Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany 8 ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany. 9 Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy. 10 Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo. 11 Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.
12 Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. 13 Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hitanamoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. 14 Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. 15 Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.

<<<  hiverina |
| manaraka  >>>

Location

Ndao hiara-hamaky manontolo ny Baiboly

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Maro amintsika no manam-paniriana hamaky ny Baiboly, kanefa noho ny asa aman-draharaha sy ny antony maro samihafa dia vitsy ihany no mahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.
Indro ary misy taridalana mahomby ahafahantsika sy ianao mamaky manontolo ny Baiboly. Taridalana notsoahina tamin'ny lova napetraky ny Révérant Anglisy Robert Roberts efa ho zato taona mahery izao. Azo antoka fa ho voavakintsika manontolo ao anatin'ny taona iray ny Testamenta Taloha, sy ny Testamenta Vaovao (ho voavaky in-droa), Izany dia ho tontosa raha manaraka ny toromarika vakiteny isan-kerinandro isika. Homba antsika ny Tompo. Amena

Contact Us

Powered by nyetodago